mardi 11 mars 2008

Zokiny Sy Zandriny

Miady foana.

Misy zavatra tsy tiako dia ity fomba fanajana ny zokiny sy ny tsy fanomezan-danja ny zandriny ity. Hatramin'izay niainako angamba dia io no zavatra anisan'ny tsy dia tantiko loatra. Sady tsy tiako koa nampianarina ahy satria lasa takaitra ilay izy aty ivelany.

Voalohany, zavatra tena tsy nety tafiditra tao an-dohako izao ohatra ny mifanakalo hevira tamin'ny mpampianatra teny amin'ny oniversite. Ry zareo aty izany tena mivelatra be mihitsy amin'ny fifanakolazan-kevitra. Izaho anefa na teny amin'ny Lycée na teny@ ambaratonga ambony tsy mbola niady hevitra tamin'ny mpampianatra izany mihitsy. Manazava lesona izy dia manontany fanontaniana dia misy sipa iray (ilay 1ère de la classe masstay ireny matetika) tsy maintsy mahita lazaina foana dia tsy iadiana iny fa vita ny cours dia samy mi-pà.

Tonga taty finda indray aho dia 'c'est tout le contraire', na inona na inona resahina dia tsy maintsy misy managan-tànana foana mametraka fanontaniana na farak'izay 'absurde' aza. Na tsy misy ifandraisany akory aza. Dia ankoatr'izay dia miresaka be aminao ny mpampianatra rehefa inter-cours, miaraka mifoka sigara aminao izy, indraindray aza izy miaraka maka café aminao, mi-invité anao any an-tranony, miresaka amin'ny msn sns...

Takaitra: sarotra be vao mahazo aina ny gasikely! Mi-tutoyer olon-dehibe, mpampianatra, andeha hisotro kafe hiaraka aminy? mila bountisation... (en référence au chocolat bounty : ny atin'ny coco ny ivelan'ny choco, mba hitenenana ny maizina misaina toy ny fotsy, cf lire Gaston Kelman 'je suis noir et je n'aime pas le manioc)


Faharoa, ho an'izay zokiny any an-tranony any. Mba henoy ihany ny zandriny ary rehefa miady re olona, aza miandry ny zandriny hanao 'premier pas' fa rehefa misokatra ny fo dia miresaha fa mankaleo be. Aiza ve ka misy an'izao hoe 'Izaho zokiny ka tsy anjarako no miresaka voalohany!". "Ahy ny vody akoho, anao ny fe-ny" Koa tsy hano -t*** koa!!!

Dia tonga saina tampoka aho hoe izany ve no mahatonga ny vazaha mianakavy tsy miombona amin'ny fianakaviany fa miandry hoe ny zanaka no mamangy, na ny zandry no miresaka voalohany? sa dia efa tsy fitiavana tsotra izao fotsiny ny azy?

Dia resaka zokiny sy zandriny ihany, resa-dova indray. Resaka zokiny vavy sy zokiny lahy, resaka zandriny lahy sy zandriny vavy ary ny OM na ny olo-miditra (vinanto ) hoy ilay dadatoako izay. Ianareo ve tsy mba nahatsikaritra fa miady ny fianakaviana rehefa iny fa maty ny ray aman-dreniny (ilay nampiray sy ilay tompon-karena). [efa noresahako tany amin'i rajiosy ity resaka ity]. Dia eo dia iny ilay lahimatoa manao mpandidy sy mpanapaka hoe azy ny 75% ny harena fa izy ny zokiny, ary ny zandriny dia miandry ny anjarany.

Io moa izany rehefa mana-manana ily ray sy reniny e, betsaka mihitsy ny olom-pantatro lasa misaraka sy miady, anefa dia mpiray tampo nifankahazo be taloha. Ary ady lova foana. Asa angaha nahoana? nahoana moa ny malagasy sasany no tsy manao 'testament' na avy dieny fony velona dia efa mizara hoe itsy an-dranona itsy an-dranona. Eo mantsy dia tsy afaka ny hiteny ianao zanaka fa i ra-Zoky (i Bainina sy Bofy) no mandidy. Ny sasany aza moa mbola sahy 'mitarazoka' , 'manambitamby' mba ahazo ny tsara.

Ny sasany moa dia faly be ery manaratsy zao-bavy sy zao-dahy: tiatia kely e, mpanimba fiainan'olona e!

Eo ihany koa no tonga saina tampoka aho fa ny taranaka miady lova dia ny zanak'ireo tsy mba nampianatra ny zanany hiray hina hiara- hamokatra ny vokatra vitan'ny ray aman-dreniny fa ireo izay nanoro hoe 'samia maka ho azy'.
Ohatra: mpiasa tena ny rainy. Ny zanany maro (mihoatran'ny efatra ohatra). Nampianariny ireo ary samy tafita; ny sasany dokotera, ny sasany mpampianatra, ny sasany mpitsara... Fa naninona no tsy nampianarina hiara hiasa taminy tao amin'ilay orinasany ary? na nampianariny commerce? dia mba afaka nandimby azy. Ireo asa ireo koa ve moa raha novelariny amin'ny anaran'ny orinasany tsy mba ho nety ihany? fa dia nahoana loatra? Ka eo dia fahadisoan'ny ray aman-dreny indray hoy aho. Ohatran'ndry JR tamin'i Dallas izao hitako mety tsara

Aty aoriana dia fiatsaram-belatsihy, ady eny amin'ny tribonaly, fifamonoana no hiafarana.

Ho an'ireo izay naka ravin'ahitra aty finda kosa, hevitro manokana. Manangona, mividiana, manaova fiainam-baovao dia adinoy ny lasa ary tandremo ihany sao hiady lova eo koa ny taranaka e!

Farany tsy aleo ve ajanona amin'izay ity zokiny aho e, zandriny aho e ity. Hoy ilay olona izay hoe "vous n'êtes pas obligés de vous aimer mais respectez vous les uns des autres"

Marina ihany izany satria ny malagasy mantsy manao am-po. Asakasakareo aloha e

samedi 8 mars 2008

V-Day Madagascar

8 Marsa. Andro iraisam-pirenena natokana ho an'ny vehivavy. Folo taona lasa izay no nandraisan'i Eve Ensler anjara ho fanamarihana io andro io. Ny hetsika rehetra izay miseho ny 01 janoary ka hatramin'ny 31 Marsa dia nataony indrindra ho fampatsiahivana ny fisian' ireo vehivavy voavono eran-tany. Ny "Monologue du Vagin" dia efa nolalaovina an-dampihazo ary voadika amin'ny tenim-pirenena maro (eo amin'ny telopolo eo).

Nandray anjara amin'izany Madagasikara ka ny 8 Marsa 2008 no fotoana voalohany nandikàna ny Monologue du Vagin amin'ny teny malagasy, azo adika koa hoe "Ny akon-dresakin'ny zohiko"

Vehivavy mpiblaogy efatra no niara nanentana ny feony ho fanampiana sy fanohanana ireo vehivavy malagasy hiajan-dian'ny herisetra.



HENOY VAKIO VIDIO




Sahiran-tsaina ngamba ianareo e !, Izaho aloha tena vaka
e ! Izany no antony anoratako ity sangan’asa ity. Sahiran-
tsaina aho ny amin’ny zohim-pahafinaretako

...

Tsy maintsy tia volo vao tia an'i Bozy. Betsaka ny olona tia volo. Ny vadiko voalohany tsy tia
volo. Hoy izy hoe misavoritaka hono sady maloto. Nasainy aratana foana ny ahy.

...

Ao, ao ambany ao, mbola tsy niverenako naleha mihintsy hatry ny taona 1953. tena
marina e!

...

Toy ny akorandriaka ny fivaviako, akorandriaka boribory
mavokely sady saro-pady mety mivoha dia mety mihidy

...

Tantaraiko anareo ny nahatonga ahy hankafia ny lalan-kitsom-pahafinaretako. Somary
hanano sarotra ihany satria tsy dia ara-dalàna loatra.

...

Mahatratra an’arivony mahery ny isan’ny ankizy vavy na koa tovovavy nisedra io
famorana io. Ny kaontinanta Afrikana moa no tena ahitana io, tsy vitsy ireo izay mbola
hisedra, ny antsy maranitra, hareza, na koa tapaka vakin-tavoahangy voarangitra tsara

...

Hoy i Neny amin’ny feo masiaka, mafy, mihantsy aina hoe ajanony hono io
mihoatrahoatra ny Boziko io. Lasa natahotra be aho sao nihoatra loatra ka mianjera ho
azy eo izy no hiafarany

...

Miloko maitso ny fivaviako, ohatran’ireny tanimboly mavokely malefaka ireny

...

Tiako ny zohiko. Tiako ihany koa ny vehivavy. Mazàna aho no tsy mampisaraka azy roa
ireo.


AMPIO IZAHAY
commander-o e!

mercredi 27 février 2008

...

J'espère qu'elle n'est pas enceinte???

J'espère qu'ils n'ont pas bu ce qu'il y avait dans le cageot???

J'espère qu'elle fréquente l'école???

J'espère qu'il aura à manger
...

jeudi 21 février 2008

Jejoo

jejoo désormais disponible sur le web. Misaotra an'i sazykely nampita vaovao.

Efa ela ihany aho no naheno critique be dia be momba azy ity. Gazety natokana ho an'ny vehivavy malagasy. Et enfin le voilà sur le web et ma foi...ohatran'ny mety amiko 'zany.

Teo aloha teo mantsy dia mbola ny blaogin-drasoa tao amin'ny mavokely no famakinay aty finda aty, tsy ratsy kosa ny any an. Fa izao kosa izany dia mba mety aharaka ny fisehon'ny tantara izahay aty alavitra aty. Asa anefa raha copiercoller tokoa marina no ataon'ny mpanoratra ao, hatramin'ny anio aloha dia mbola foana ny ankamaroan'ilay tranonkala e! Fa ohatran'ny efa tazako eto sahady ny resaka

  • Conseils pour économiser l'énergie:
- Comme mesure incitative, faites payer 25 ¢ à la personne qui quitte une pièce sans éteindre la lumière. (ohatrinona tsara a?)

- Ne remplissez pas la bouilloire si vous avez seulement besoin de quelques tasses d'eau. Ne faites bouillir que la quantité nécessaire. (Ka tsy aleo ve casserole e!)

- Pour réduire votre consommation d'eau et d'électricité, faites fonctionner le lave-vaisselle qu'une seule fois par jour. (ka firy amin'ireo tokantrano malagasy moa no mampiasa jeanette?)

-Au lieu d'utiliser la sécheuse, suspendez les vêtements dehors. En hiver, installez une corde à linge au sous-sol. (An? rehefa ririnina dia atao any amin'ny lacave? koa raha mihotsaka ny tranonay?!)

Tsy haiko na tena mety any amintsika marina aloha ireo torohevitra ireo fa ny ao amin'ny amour sy sexualité kosa angamba mety e, sady io koa izao no antony maha be mpividy ilay gazety jejoo:

- Be revy be ny vadiko, inona no tokony ho ataoko?
- MPANGALABADIN’OLONA:Fitaintainana sy fahoriana ihany koa!
- Comment atteindre l'orgasme? (tsy voadika tamin'ny teny gasy? anefa i VM aza vitan'i sasany an!!!! hihihi


Asa koa na mety hivoatra toy ireny aufeminin ireny aloha ilay izy fa dia iriana fa mba ahasoa ny vehivavy malagasy rehetra!Iza tokoa moa no mpamaky jejoo? fa tsy ny jejo rehetra ary ny bandy jejoo koa!

Tadidiko mantsy fa nisy an'ilay hoe tabataba.com iny teo aloha teo dia niato kely ry zareo. Anefa iny hitako tena milay be koa an!

Miandry an'i O2(xygène) ndray zany izao

Tsiambarantelo!!!

Tagén-drajogany ndray ny sipa dia tsy maintsy mamoaka secret!!! tssss... zà ange ho aho tsy mahita olona 7 hanodinana an'ilay blaogy-maoly e!
Ohatran'ireny hoe any amin'ny fac' taloha ireny dia miandry ny fihodinan' ilay sigara ve nàma!

'Nareo reto an, curieux daholo tsss... zao ary e, tsotsotra be fotsiny:

  1. je ne fume pas
  2. je ne me drogue pas
  3. je ne bois pas
  4. je déteste les mathématiques
  5. je suis indécise
  6. je déteste prendre des médicaments
  7. et je hais les chiens, les araignées et les serpents.

Voilà....faut dire que c'est un exercice très difficile ce truc hein...

Car secret number 8: - je ne parle jamais de moi dans les blogs. On ne sait jamais sur qui on tombe. Avec cette manie à rajouter un peu plus, histoire de pimenter la lecture!han

.temps mort. temps de réflexion.

Je tourne en rond depuis des heures à effacer, copier, coller, couper les phrases qui me viennent et finalement je décide à vous dire que:

  • quand j'étais adolescente: je me suis brûlée les cils en voulant allumer ma première cigarette avec l'allume- gaz. c'est c*** hein!
  • mon rêve le plus fou serait de faire un petit "retour vers le futur" je choisirai l'époque royale: vivre à Versailles ou au Rova de Manjakamiadana, pourquoi pas?
  • j'ai accidentellement brûler les cheveux de mon cousin mais il ne m'en veut pas, youpi...
  • il y a quelques temps de cela je disais à mon père que je voulais vivre au Kosovo ou dans un autre pays en guerre et finalement tout bien réfléchis je n'ai pas envie de finir comme Ingrid Betancourt.
  • j'adore les dessins animés et les séries télévisées. Je pense que ce qui me manque le plus au monde c'est l'époque de mon enfance.
  • normalement là il y a tous mes secrets et pour les 5 ans à venir...lol car il est vrai que quelquefois j'ai du mal à suivre les règles du jeu. Par exemple quand je lis un magazine, je commence toujours par la dernière page...

Et maintenant je passe le relais à Lilia, Sipagasy, Ikalamako, Nj&be, Rajiosy, Pissoa, et pour le 7 ème... qui veut bien se porter volontaire?