mardi 11 mars 2008

Zokiny Sy Zandriny

Miady foana.

Misy zavatra tsy tiako dia ity fomba fanajana ny zokiny sy ny tsy fanomezan-danja ny zandriny ity. Hatramin'izay niainako angamba dia io no zavatra anisan'ny tsy dia tantiko loatra. Sady tsy tiako koa nampianarina ahy satria lasa takaitra ilay izy aty ivelany.

Voalohany, zavatra tena tsy nety tafiditra tao an-dohako izao ohatra ny mifanakalo hevira tamin'ny mpampianatra teny amin'ny oniversite. Ry zareo aty izany tena mivelatra be mihitsy amin'ny fifanakolazan-kevitra. Izaho anefa na teny amin'ny Lycée na teny@ ambaratonga ambony tsy mbola niady hevitra tamin'ny mpampianatra izany mihitsy. Manazava lesona izy dia manontany fanontaniana dia misy sipa iray (ilay 1ère de la classe masstay ireny matetika) tsy maintsy mahita lazaina foana dia tsy iadiana iny fa vita ny cours dia samy mi-pà.

Tonga taty finda indray aho dia 'c'est tout le contraire', na inona na inona resahina dia tsy maintsy misy managan-tànana foana mametraka fanontaniana na farak'izay 'absurde' aza. Na tsy misy ifandraisany akory aza. Dia ankoatr'izay dia miresaka be aminao ny mpampianatra rehefa inter-cours, miaraka mifoka sigara aminao izy, indraindray aza izy miaraka maka café aminao, mi-invité anao any an-tranony, miresaka amin'ny msn sns...

Takaitra: sarotra be vao mahazo aina ny gasikely! Mi-tutoyer olon-dehibe, mpampianatra, andeha hisotro kafe hiaraka aminy? mila bountisation... (en référence au chocolat bounty : ny atin'ny coco ny ivelan'ny choco, mba hitenenana ny maizina misaina toy ny fotsy, cf lire Gaston Kelman 'je suis noir et je n'aime pas le manioc)


Faharoa, ho an'izay zokiny any an-tranony any. Mba henoy ihany ny zandriny ary rehefa miady re olona, aza miandry ny zandriny hanao 'premier pas' fa rehefa misokatra ny fo dia miresaha fa mankaleo be. Aiza ve ka misy an'izao hoe 'Izaho zokiny ka tsy anjarako no miresaka voalohany!". "Ahy ny vody akoho, anao ny fe-ny" Koa tsy hano -t*** koa!!!

Dia tonga saina tampoka aho hoe izany ve no mahatonga ny vazaha mianakavy tsy miombona amin'ny fianakaviany fa miandry hoe ny zanaka no mamangy, na ny zandry no miresaka voalohany? sa dia efa tsy fitiavana tsotra izao fotsiny ny azy?

Dia resaka zokiny sy zandriny ihany, resa-dova indray. Resaka zokiny vavy sy zokiny lahy, resaka zandriny lahy sy zandriny vavy ary ny OM na ny olo-miditra (vinanto ) hoy ilay dadatoako izay. Ianareo ve tsy mba nahatsikaritra fa miady ny fianakaviana rehefa iny fa maty ny ray aman-dreniny (ilay nampiray sy ilay tompon-karena). [efa noresahako tany amin'i rajiosy ity resaka ity]. Dia eo dia iny ilay lahimatoa manao mpandidy sy mpanapaka hoe azy ny 75% ny harena fa izy ny zokiny, ary ny zandriny dia miandry ny anjarany.

Io moa izany rehefa mana-manana ily ray sy reniny e, betsaka mihitsy ny olom-pantatro lasa misaraka sy miady, anefa dia mpiray tampo nifankahazo be taloha. Ary ady lova foana. Asa angaha nahoana? nahoana moa ny malagasy sasany no tsy manao 'testament' na avy dieny fony velona dia efa mizara hoe itsy an-dranona itsy an-dranona. Eo mantsy dia tsy afaka ny hiteny ianao zanaka fa i ra-Zoky (i Bainina sy Bofy) no mandidy. Ny sasany aza moa mbola sahy 'mitarazoka' , 'manambitamby' mba ahazo ny tsara.

Ny sasany moa dia faly be ery manaratsy zao-bavy sy zao-dahy: tiatia kely e, mpanimba fiainan'olona e!

Eo ihany koa no tonga saina tampoka aho fa ny taranaka miady lova dia ny zanak'ireo tsy mba nampianatra ny zanany hiray hina hiara- hamokatra ny vokatra vitan'ny ray aman-dreniny fa ireo izay nanoro hoe 'samia maka ho azy'.
Ohatra: mpiasa tena ny rainy. Ny zanany maro (mihoatran'ny efatra ohatra). Nampianariny ireo ary samy tafita; ny sasany dokotera, ny sasany mpampianatra, ny sasany mpitsara... Fa naninona no tsy nampianarina hiara hiasa taminy tao amin'ilay orinasany ary? na nampianariny commerce? dia mba afaka nandimby azy. Ireo asa ireo koa ve moa raha novelariny amin'ny anaran'ny orinasany tsy mba ho nety ihany? fa dia nahoana loatra? Ka eo dia fahadisoan'ny ray aman-dreny indray hoy aho. Ohatran'ndry JR tamin'i Dallas izao hitako mety tsara

Aty aoriana dia fiatsaram-belatsihy, ady eny amin'ny tribonaly, fifamonoana no hiafarana.

Ho an'ireo izay naka ravin'ahitra aty finda kosa, hevitro manokana. Manangona, mividiana, manaova fiainam-baovao dia adinoy ny lasa ary tandremo ihany sao hiady lova eo koa ny taranaka e!

Farany tsy aleo ve ajanona amin'izay ity zokiny aho e, zandriny aho e ity. Hoy ilay olona izay hoe "vous n'êtes pas obligés de vous aimer mais respectez vous les uns des autres"

Marina ihany izany satria ny malagasy mantsy manao am-po. Asakasakareo aloha e

20 commentaires:

Anonyme a dit…

mdrr
ny ahy r'ikala darohako fotsiny tsotra izao ilay zokinay raha vao tsy mahazo rariny aho a ! izaho tsy maintsy mandefitra tsinona fa raha tsy izany ho voadaroka ka rehefa ho voa ihany aleo sady voa no mahavoa.
Ny blèm koa moa ilay rehefa ianao no zaza antenantenany (hita ihany io na aty findà aza fa any amintsika miampy ilay fanajana zoky), ireny zaza antenantenany ireny "sady tsy mahavoa noho ny zokiny no tsy bobby noho ny zandriny", fa baolina noana tsy mitsambikina tsy misavoana eny foana, ka ny ahy dia mbola loham-boto ihany koa raha vao misy idiran'ny zandry indray satria la chouchou de maman a toujours raison na zoky aza i toi, dia izaho foana no diso! Daroka koa ny ahy ny handaminako ny resaka. Re-"samy ho voadaroka ihany".
La survie des faibles c'est l'attaque, hahaha

Unknown a dit…

za aloha tsy nety 1ère de la classe mihitsiny tonga tsy masstay annnnn
azoko lé resaka lova sns ary azoko hoe tsy mila midépendre ( bien la thune des parents qu'ils se demerdent avec!!) ary azoko lé resajk zoky/zandry (raha misy moa ny zoky maiv maivan doha tsy aleo darohana any!) fa tsy azoko hoe FA MANINONA LAVA BE ITY POST ITY!!!

lol

ps: g tout lu tout compris...c tout long

Ikalakely a dit…

ikalamako> ka tsy afaka hidaroka ny sefo ange any am-piasana e! Ry zareo koa mantsy indraindray ohatran'ny mampite-hidaroka be raha vao mahita anao hoe "débutant" sady "tanoranora"

jogany> hahaha, en ce moment tu sais, c la mode texte long. Efa vita ilay izy vao hitako hoe lavaaaa bbb kay. Sady amizay zà ni-spamme be koa tany an'anona an'anona tany!!! tss...
Ary efa mahavaky texte long be koa 'zany nji kou;)

Anonyme a dit…

Sao tokony dinihina manomboka amin'ny hoe inona ny andraikitry ny zoky. Toa hafahafa ihany mantsy hoe hatramin'ny resaka vody akoho sy fen'akoho avy dia mampitaraina ny sasany "aminareo" zandry !

Vavy matoa aho - vavy matoa ary kamboty reny - Dia lazaiko anareo ry zandry kely isany fa tsy resaka fanajana fotsiny ny mahazoky, tsy resaka vody akoho fa resaka adidy, andraikitra goavana be ! Ka raha mitady fifanajana ianareo dia soyez reconnaissant aloha amin'ny zokinareo tsirairay avy !

Fantatsika tsara ohatra fa misy ny fitenenana hoe taha-joky, fa tsy misy ny hoe taha-jandry. Misy koa ilay fiteny hoe manao dian-gana : izay alehan'ny eo aloha no alehan'ny ao afara. Izany hoe izay toetra sy ny fiton-dran-tenanareo zandry - na tsara fanahy ianareo, indrindra koa rehefa maivan-doha ianareo - dia indraindray aty aminay zoky no afafatry ny fiaraha-monina ny rihatra !

Izaho tsy miteny hoe tsy mety diso ny zoky a - tsy miteny koa aho hoe tsy tokony hajaina ny zandry ! Hoy fotsiny aho hoe tsy tokony hajaina ny zoky (tena zoky - mandray andraikitra) fa mendrika ny fanajana. Rehefa manao lahatsoratra ianareo dia asio trace an'ny hatsarany na dia pitiny kely aza ... hi hi hi.


Rehefa maty ny ray na ny reny dia :
1 - Amiko manokana dia olona iray ihany no tokony omena ny andraikiny. Isan'ny manimba antsika gasy mantsy ity toe-tsaina te ho prezida ity daholo (jereo ny ataon'ny mpanao politika), na te ho injeniera daholo sns. Hatrany amin'ny fianankaviana dia te ho "neny/dada" daholo rehefa tsy eo intsony i Neny/dada. Aiza moa no tsy vao maika hiady ! Maninona raha omena izay mendrika sy tokony ho neny/dada fotsiny ny fanajana ... dia milamina ny tanana ?

2 - Amin'ny resaka lova dia ny mihary no mety ! Raha resaka valeur sentimentale no hiadiana ny lova dia resaka hafa. Fa amin'izao mantsy ity ady lova ity dia resaka materialy no mibahana.

Oops, mbola zandrin'Ikala aho amin'ny lafim-piainana maro ... nefa tpa tsy dia manaja zoky le hevitra, lol.

Anonyme a dit…

pissoa : ekena dia ekena io ho antsika malagasy.
Misy tena mbola ankafizako ny fanajana zoky ray aman-dreny amin'ny malagasy. Ireo tsindry hazolena nahazo ahy kosa ezahiko tsy hahazo bahana.
Ny zanako mbola tena ampianariko hiantso ny olon-dehibe tatie, tonton, dadatoa sy nenitoa rehefa miresaka @ namana malagasy manodidina ahy. Tsy tiako ho izany no hitsarana azy ho tsy mahalala fomba.
Voankazo an'ala ny fitaizana azon'ny tsirairay, samy mihinana ny mamy dia mandà ny mangidy.

Ikalakely a dit…

pissoa> Tsy haiko ry kala fa izaho moa izany tsy manan-joky hajaina, tsy manan-jandry hirahina sy kitakitaina fa dia ny tenako irery no hasavilivilin'ny fiainana eny...ka rehefa tena adidy toy izao ve moa tsy hahay handray ny adidiny ihany ny zoky ary hankato azy ny zandry. Saingy diso tafahoatra ny fandraisan'ny zoky sasany azy ka manjary tsy afaka mamoaka ny heviny mihitsy ny zandry sady mody tsy henoina. ISika efa lasa aty ivelany aty izay efa zatra mihaino na zandry na zoky angamba mety hafa kokoa ny fihetsika manoloana ny zandry, fa ireo izay any Dago dia tena hitako manao mabanin-javatra mihitsy ny zandry olona ary mananararao-paty indrindra an'io toerana zoky io hoe izy hono "napetrakin'ny natiora teo" ka inona ary...Samy naterakin'ny ray sy reniny izao avy ary angaha koa moa nisafidy ny ràd hoe izao na itsy no tiako ho zokiny fa iray kibo io dia iray novolaina izany.

Tsy manakana anefa izany hiantso tonton sy tatie ny namana kanefa kosa mba hampianarina ihany fa rehefa tonton sy tatie mananfitohina dia tokony ahasahy ihany ianao hamaly azy rehefa "exploité-ny".

HO an'ny kamboty mbola kely kosa aloha be adidy tokoa angamba, fa ho an'ireo efa lehibe efa manana anton'asa dia mbola hiady an'izany ihany!!!

Ikalakely a dit…

pissoa> Ny lova indray aloha dia aleo mihary ny an'ny tena. Indraindray ny mahantra ny ray sy reny no mety, tsy misy ho zaraina fa samy miezaka ny ankizy.

Misy moa izany hoy aho ireo zanaka pact e! dia avy dia samy te handrombaka ny azy fa maika ahazo hofan-trano kely 3millions/mois fa tsy mba manana eritreritra hoe andeha hatao orinasa kely dia ampanofaina miaraka dia avy eo iny afaka hanamboarana trano be hafa dia mivelatra ny vola e. Fa nohon'ny fahantrana angamba dia ny anio no jerena fa tsy ny ho avy no banjinina.

maintikely a dit…

- resa-dova aloha dia eeeeee! mandreraka! aleo mihary ho an'ny tena. Sady ny ahy tsy azoazoko mihitsy ity fomban'ny gasy ity hoe ny lahy mahazo betsaka noho ny vavy! lelika eeeeee! ny 08mars anie efa misy e! mitovy zo izao :D

Aleo mihary ho an'ny tena fa tsy manantena ny any antanan'ny hafa any eny fa na dia hoe rad niteraka aza


- resa-joky: za sy zokinay tena tsy mba intime izany! ohatry ny za indray no zoky eo anatrehan'ireo zandrinay!
ny resaka adidy moa dia eeeee! nahagaga ny hoe maninona no za no zandry satria aty amiko daholo no mifatratra!

fa ny ahy aloha za indray tsy mifona izany raha tsy diso e! raiko sy reniko anga dia ie! fa raha zoky tsy misy io! raha diso aho mandeha tokoa aloha!


miteny izany ndry fa arakaraky ny fac misy ao ankatso io! raha any @ degs aloha ny mila ranondranony no tena mpiresaka @ prof! fa raha any @lettre tena betsaka ny mpiresaka sy miara misotro kafe @prof

fa alako @vzongo tokoa aloha ity be resaka ity any ampianarana!tssssss ils parlent beaucoup pour ne rien dire....

Rajiosy a dit…

maintikely : "lelika eeeeee!" !!! tsisy idiran'ny alika amin'ilay resaka an

maintikely a dit…

rajiosy: :-P

Ikalakely a dit…

maintikely> tena marina koa ilay hoe lahy dia betsaka vavy dia kley an!
Matetika dia ny firavakin'ny reniny no omena ny vavy dia ny tany rehetra an'ny zazalahy. Angamba izany no tsy hitiavana ny zaobavy satria mahazo ny harenan'ny ràd ny tena tsy fidiny izy. Ary izay ihany koa anefa no mahatonga ny ràd hitady vinanto lahy manamanana. Mifameno ilay izy.

Ikalakely a dit…

rajiosy> ka tsy marina kosa ary ve izany e?

Unknown a dit…

les gens quand ils voient que rajiosy va commenter ils prennent des lunettes et genre miala any ny resaka sérieux kanjo..."lelikéééé"
loooool
c dimanche tena je suis kamo be

Ikalakely a dit…

jogany> hihihi
Mialà amin'izay ao amin'io tannière io fa efa iny avy ny printemps e

Anonyme a dit…

ary zay sy pissoa ôtrany mitovitovy zany fa zay kay samy zokiny hihi les histoires de famille c'est toujours compliqué; lé resaka lova, tsy aleo tsy misy toy zay iadivana?!

Ikalakely a dit…

trinitty> tout a fait d'accord avec toi mam'zelle!
Bon courage nareo zokiny aza e

Anonyme a dit…

[url=http://firgonbares.net/][img]http://firgonbares.net/img-add/euro2.jpg[/img][/url]
[b]nubs academic software, [url=http://firgonbares.net/]ms office 2003 proofing tools[/url]
[url=http://firgonbares.net/][/url] macromedia flash animation software adobe photoshop cs4 download
10 Advanced Mac [url=http://firgonbares.net/]buy cheap microsoft software[/url] buying a software package
[url=http://firgonbares.net/]adobe acrobat 9 pro how do i add pages to an existing form[/url] mobile educational software
[url=http://firgonbares.net/]oem software what is[/url] photo software to buy
coreldraw + 'basketball hoop' [url=http://firgonbares.net/]software when to buy[/b]

Anonyme a dit…

[url=http://sunkomutors.net/][img]http://sunkomutors.net/img-add/euro2.jpg[/img][/url]
[b]office 2003 trial, [url=http://sunkomutors.net/]very cheap software[/url]
[url=http://sunkomutors.net/][/url] purchase primavera software Advanced Mac
PACK-1 Adobe PACK [url=http://sunkomutors.net/]microsoft student software discounts[/url] software for online shop
[url=http://sunkomutors.net/]Edition Mac Retail[/url] where to buy pirated software
[url=http://sunkomutors.net/]quicktime for windows xp[/url] cheap education software
educators discount software [url=http://sunkomutors.net/]office 2009 software[/b]

Anonyme a dit…

[url=http://bariossetos.net/][img]http://bariossetos.net/img-add/euro2.jpg[/img][/url]
[b]full software downloads, [url=http://vonmertoes.net/]coreldraw x3 upgrade[/url]
[url=http://vonmertoes.net/][/url] discount game software software canada inc
buy windows mobile software [url=http://hopresovees.net/]macromedia dreamviewer software[/url] nero 9 serials
[url=http://bariossetos.net/]adobe premium creative suite 4 manual[/url] buy me a coffee photoshop
[url=http://hopresovees.net/]software sells[/url] adobe creative suite 3 key recovery
how to buy photoshop [url=http://vonmertoes.net/]windows xp home[/b]

Anonyme a dit…

[url=http://hopresovees.net/][img]http://hopresovees.net/img-add/euro2.jpg[/img][/url]
[b]adobe creative suite 4 master collection, [url=http://hopresovees.net/]nero 9 best price[/url]
[url=http://bariossetos.net/][/url] microsoft office discount price adobe acrobat 9 tutorial
software to store photos [url=http://bariossetos.net/]adobe connect software[/url] cheap windows xp pro
[url=http://vonmertoes.net/]teacher discount software[/url] cheapest windows software
[url=http://vonmertoes.net/]software products price[/url] windows vista oem software
software to buy tickets [url=http://vonmertoes.net/]best office software[/b]