Kilalao adaladala, mety mahafaty sady fadin-drazana no nasehon'ireto zatovo ahy:
Mandohalika ary misefosefo mandritran'ny 30 sekondra, atao mihaaingana mihaaingana
Rehefa tapitra ny sekondra dia mitsangana haingana ary tapenana ny orona, tsy hiaina!
Tampoka eo: toràna dimy sekondra ilay zaza dia tatazan'ireto namany, avy dia mifoha izy sady somary fanimpanina. [tsy azo haverina na dia kely aza ireo nolazaiko ireo]

Tena zavatra tsy azo an-tsaina mihitsy raha tsy hitan'ny maso ilay kilalao, matetika olon-dehibe ahazahoan'ny ankizy aina, tsy mahemenatra azy no ahasahiny mampiseho io fihetsika io. Saingy tena tokony hitandrina ihany ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra fa tena mahatsiravina tokoa ny zava-doza mety hitranga .
*L’élève qui a le malheur de se trouver jambes écartées et de laisser passer un objet : balle, cannette, etc.,… se voit immédiatement entouré d’une bande d’enfants qui se précipitent sur lui, le jettent à terre et le bourrent de coups de pieds et de poings.
Dernier News (06.12.08): Niakatra lavitra be ilay jeu , ary efa ankizy maro no nanandrana nanao azy. Nony nody tany an-tranony hono ity zazalahy 13 taona dia nilaza tamin'ny reniny hoe 'je me suis évanoui 3 fois à l'école!!!". Ny iray indray rehefa nanao EPS dia tsy nahavita nihazakazaka mihitsy fa fanina sady reraka be no sempotra.
Ny loza dia 'jeu' an'ireo mpifoka rongony hono io, ary ny sasany amin'ireo ankizy dia nilaza fa mpanao an'io matetika rehefa avy mimôly kely (zaza 12 à 14 ans izany an!), ny profil ny ankizy sasany koa moa efa suicidaire rahateo, ny sasany efa "cas" à part mihitsy! Ny ratsy dia ny ankizy mpanandrana, mba te ho... ka maty na comateux
Une grande campagne de prévention est prévue! même si certains chefs d'établissement nient complètement les faits. Hallucinant!