samedi 8 mars 2008

V-Day Madagascar

8 Marsa. Andro iraisam-pirenena natokana ho an'ny vehivavy. Folo taona lasa izay no nandraisan'i Eve Ensler anjara ho fanamarihana io andro io. Ny hetsika rehetra izay miseho ny 01 janoary ka hatramin'ny 31 Marsa dia nataony indrindra ho fampatsiahivana ny fisian' ireo vehivavy voavono eran-tany. Ny "Monologue du Vagin" dia efa nolalaovina an-dampihazo ary voadika amin'ny tenim-pirenena maro (eo amin'ny telopolo eo).

Nandray anjara amin'izany Madagasikara ka ny 8 Marsa 2008 no fotoana voalohany nandikàna ny Monologue du Vagin amin'ny teny malagasy, azo adika koa hoe "Ny akon-dresakin'ny zohiko"

Vehivavy mpiblaogy efatra no niara nanentana ny feony ho fanampiana sy fanohanana ireo vehivavy malagasy hiajan-dian'ny herisetra.



HENOY VAKIO VIDIO




Sahiran-tsaina ngamba ianareo e !, Izaho aloha tena vaka
e ! Izany no antony anoratako ity sangan’asa ity. Sahiran-
tsaina aho ny amin’ny zohim-pahafinaretako

...

Tsy maintsy tia volo vao tia an'i Bozy. Betsaka ny olona tia volo. Ny vadiko voalohany tsy tia
volo. Hoy izy hoe misavoritaka hono sady maloto. Nasainy aratana foana ny ahy.

...

Ao, ao ambany ao, mbola tsy niverenako naleha mihintsy hatry ny taona 1953. tena
marina e!

...

Toy ny akorandriaka ny fivaviako, akorandriaka boribory
mavokely sady saro-pady mety mivoha dia mety mihidy

...

Tantaraiko anareo ny nahatonga ahy hankafia ny lalan-kitsom-pahafinaretako. Somary
hanano sarotra ihany satria tsy dia ara-dalàna loatra.

...

Mahatratra an’arivony mahery ny isan’ny ankizy vavy na koa tovovavy nisedra io
famorana io. Ny kaontinanta Afrikana moa no tena ahitana io, tsy vitsy ireo izay mbola
hisedra, ny antsy maranitra, hareza, na koa tapaka vakin-tavoahangy voarangitra tsara

...

Hoy i Neny amin’ny feo masiaka, mafy, mihantsy aina hoe ajanony hono io
mihoatrahoatra ny Boziko io. Lasa natahotra be aho sao nihoatra loatra ka mianjera ho
azy eo izy no hiafarany

...

Miloko maitso ny fivaviako, ohatran’ireny tanimboly mavokely malefaka ireny

...

Tiako ny zohiko. Tiako ihany koa ny vehivavy. Mazàna aho no tsy mampisaraka azy roa
ireo.


AMPIO IZAHAY
commander-o e!

4 commentaires:

maintikely a dit…

belle initiative pour l'effort de traduction :)

sinon je suis à 1000%contre l'excision

bizz

Ikalakely a dit…

Misaotra akia maintikely a!
Miandry an-dry izahay @ herintaona fa efa miomàna an...

Mampalahelo mihitsy ny excision, mampalahelo koa ny nahafaty an'i Katushiaa (izao v?) niady noho io zavatra io (izany hono aloha no antony mety nahafaty azy e)

henoko fa hoe fandidiana eo @ fe indray izao no atao fa tsy any amin'ny zohy intsony, ka dia efa zava-dehibe aloha izany ny naneken'ireo mpanao izany an'io hevitra io. Betsaka ihany anefa no mbola mangalatra manao izany an-kiafina any

BizU

Unknown a dit…

we rule we rule we rule
je vais dormir angamba o?

maintikely a dit…

ikalakely: ilay mannequin iry ve no tiandry ambara? Tena mampalahelo tokoa :(