mercredi 7 janvier 2009

Lasa indray

Lasa indray izao... ny taona vaovao. Mampihomehy ahy fa betsaka ny nilaza hoe herintaona ihany ny blaogy dia maty avy eo. Mety marina tokoa satria raha nijery ny calendrier tetsy am-pita aho dia herintaona eo ho eo ny blaogin'ikala.
Tsy hoe ny ho lazaina no tsy misy fa ny handaminana azy no tsy mety. Ny tsy fisiany ny lahatsoratra mivoaka matetika no mahavery ny feeling e! Asa koa fa matoritory jiaby isika rehetra, revon'ny hatsiaka angamba.
Raha momban'ikala manokana ohatran'ny metimety amiko aloha ny ao amin'ny fesy boky dia aleo aho hijery flora eto fotsiny mandra-piaingany indray.

2 commentaires:

maintikely a dit…

le grand dilemme: fesse bouc ou blog?
Ny ahy ry kala blaogy aloha no mbola andrian'ny foko :).
Fa marina fa tao ho ao lasa mangatsiaka ny blogosphère gasy, asa nga nahoana

Anonyme a dit…

Tratry ny taona e !