jeudi 4 décembre 2008

Le Rêve Indien

'Raha maty aho, matesa rahavako' hoy ny gasy izay. Zava-doza tsy misy ohatr'izany, hitan'ny voamasoko izao no nitranga androany. Asa koa na ity resaka momba ny jeu le peit pont massacreur* nandritran'ny roa andro izay ity no nahatonga io fa dia gaga sy talanjona fotsiny aho nahita ny démonstration-ny.

Kilalao adaladala, mety mahafaty sady fadin-drazana no nasehon'ireto zatovo ahy:

Mandohalika ary misefosefo mandritran'ny 30 sekondra, atao mihaaingana mihaaingana
Rehefa tapitra ny sekondra dia mitsangana haingana ary tapenana ny orona, tsy hiaina!
Tampoka eo: toràna dimy sekondra ilay zaza dia tatazan'ireto namany, avy dia mifoha izy sady somary fanimpanina. [tsy azo haverina na dia kely aza ireo nolazaiko ireo]


Tena zavatra tsy azo an-tsaina mihitsy raha tsy hitan'ny maso ilay kilalao, matetika olon-dehibe ahazahoan'ny ankizy aina, tsy mahemenatra azy no ahasahiny mampiseho io fihetsika io. Saingy tena tokony hitandrina ihany ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra fa tena mahatsiravina tokoa ny zava-doza mety hitranga .


*L’élève qui a le malheur de se trouver jambes écartées et de laisser passer un objet : balle, cannette, etc.,… se voit immédiatement entouré d’une bande d’enfants qui se précipitent sur lui, le jettent à terre et le bourrent de coups de pieds et de poings.

Dernier News (06.12.08): Niakatra lavitra be ilay jeu , ary efa ankizy maro no nanandrana nanao azy. Nony nody tany an-tranony hono ity zazalahy 13 taona dia nilaza tamin'ny reniny hoe 'je me suis évanoui 3 fois à l'école!!!". Ny iray indray rehefa nanao EPS dia tsy nahavita nihazakazaka mihitsy fa fanina sady reraka be no sempotra.
Ny loza dia 'jeu' an'ireo mpifoka rongony hono io, ary ny sasany amin'ireo ankizy dia nilaza fa mpanao an'io matetika rehefa avy mimôly kely (zaza 12 à 14 ans izany an!), ny profil ny ankizy sasany koa moa efa suicidaire rahateo, ny sasany efa "cas" à part mihitsy! Ny ratsy dia ny ankizy mpanandrana, mba te ho... ka maty na comateux

Une grande campagne de prévention est prévue! même si certains chefs d'établissement nient complètement les faits. Hallucinant!

8 commentaires:

Anonyme a dit…

Asa raha tokony ho gaga isika fa tsaroako fa tsy navela hilalao any amoron-drano fony kely ... anefa manara-dia ireo cousin lehibe dia roboka an-drano. Torak'izany koa ny fihaniana hazo ... izay tena mijoalajoala tokoa.

Tsy mahalala loza ny zaza ary tia manandrakandrana ;)

maintikely a dit…

Ce que je ne comprends pas c'est pourquoi on appelle une activité pareil, un jeu alors que c'est une activité qui va à l'encontre de ce que veut dire jeu!!!


tsy mahalala izay hahafaty azy ny zaza fa isika lehibe no mila mitandrina ho azy, na malina aza mifehy hazo tokana

Ikalakely a dit…

tomavana> ekeko fa samy ahitan-doza na ny maty an-drano na ny manakenda tenda sy manantsentsina orona tsy hiaina. Fa ilay an'ny ankizy amizao fotoana anie ka azony atao IRERY ao an-tranony ao e? fa ny antsika taloha angaha misy sahy milomano irery any anaty renirano any? Tsy haiko aloha e, ny mihaninkazo mety hisy traumatisme crânien fa mbola elaela vao maty nohon'ny manao strangulation

Ikalakely a dit…

maintikely> ekena! fa ilay izy JEU amin'ny zaza fa tsy manana eritreritra izy hoe DANGEREUX ilay izy, Tokony hovana ny anarany atao hoe inona aza hozy ndry?

Anonyme a dit…

:)
aleo hanao hahita ozy bebeanay zay :P

lainga lainga fa misy ny zavatra hita fa "mortel" be... tsy azo andramana.
Dia asaivo misafidy namana tsara fotsiny ny ankizy. Izay ihany ny fanafodiny :)

Mitia Fanou Thandy a dit…

tena mampatahotra ry reto! na ny vavy na ny lahy ve manao daholo? Dia ahoana tokoa moa no ahafantarana hoe raianina tsy manao an'io, na dia namana tsara môtotra be zao anie ka mety ho azon'ny fakampanahy hanao an'io e!
ça me fait flipper ce genre d'histoire nefa on ne peut pas faire comme si ça n'existait pas

Anonyme a dit…

Aleo ranga ano aloa dia ahita fa raha tsy izay ko anie tsy mahatsapa zavatra ny ankizy raha tsy midona kely e.

Anonyme a dit…

tsy henoheno tatoato...........manomana ny krismay daholo e. milay fa aza ela be ranga fa letié?lol