mercredi 7 janvier 2009

Hatsiaka be ny eto Frantsa

Tsy vonona amin'ny andro mangatsiaka ny Frantsay o! Mahagaga e?


Dia gaga aho ranona raha naheno tamin'ny radio hoe 80 mihoatra ny isan'ireo aotomobilina nidona teto @ ile de france sy tany amin'ny toerana hafa (carambolage, autoroute fermée, pas de chasse-neige en vue), ary faritra maro no tsy nisy électricité nandritran'ny fotoana naharitra. Tsy vitan'izay fa tamin'ny alatsinainy teo dia nilatsaka ny la neige ary natevitevina tokoa, ka dia betsaka ny sekoly nakatona mialohan'ny ora farany firavana, satria ny cars mpitatitra hono tsy afaka ny handeha intsony. Akory hoy ianareo ireo mpiasa (-mpanjakana io an!) nody tamin'ny 4 ora!
Dia tapaka ny tsinaiko sady talanjona aho, ilay mpiara miasa tamiko izay avy any @ faritra atsimo- atsinananan'ilay reny malala moa dia nivandravandra nanao hoe "Mais qu'est ce qui se passe? il ne neige jamais ici où quoi?" Dia novaliako hoe "tsy haiko fa zà vahiny!" LoL


Ny iray tena miscènn koa dia ry jejo isany: mbola betsaka ny tovovavy sy tovolahy (tafiditra ao anatiny aho eto, vendranaaaa...) manao akanjo kely sy kapakapa (escarpins), tsy manao bonnet tsy manao gants fa mizitizity. Ny eny ivelany amin'io efa ho -10°C an! Matin-jesta e

Ny marikoriko indray moa dia mitohy eny ihany ny tain'alika fa tsy mamofona, raha manitsaka no tay be satria tsy misy hamafana azy fa rakotra fotsy daholo ny manodidina, avy dia silaka beuh an!

Ny tena mahagaga dia efa ela ihany ny méteo no nilaza fa hisy tempête de neige saingy tsy nisy rototra any ka nidofotra!

3 commentaires:

maintikely a dit…

Mba niakatra aty avaratra aty za fa nga tsy loza, hatsiaka sy ranomandry no tonga dia nitsena :((.
fa ça change aloha na izany aza.
Efa imbetsaka koa saika nenjera :))

Mitia Fanou Thandy a dit…

tratrin'ny taona vaovao nareo ô! zay ndray vao tonga avy nialavoly tany antanindrazana.
Zay ary tonga dia notsenainy -12°C tsara teny roissy koa. KLee

Anonyme a dit…

ie, aza matin-jezta ihany hoa marina mafy e. Asa re inona no tsy maha-wouain koa: matin-jesta sa matin'ny hatsiaka?

Le gros lot (hippopotame) mety ho lasanareo ihany satria mananika ny +10 izahay anio! Tsy maninona e, omena anareo am fo madio ;-) mba mitapolapolaka am hafanana kely izahay aty