mercredi 17 septembre 2008

Fa inona no tsy ampy amin'ny zatovo eto frantsa?

Fitiavana ve?

Raha mandinika ny fomba fitaiza eto aho dia toa ny 'je t'aime' sy ny 'bisous' no betsaka fa ny atiny toa poakaty fotsiny. Betsaka amin'ireo ankizy amizao fotoana no mipetraka any @ foyer, na any @ famille d'accueil noho ny antony maro. Ireo izay mipetraka amin'ny ray aman-dreniny indray dia betsaka no manana trano roa (nisaraka ny ràd). Tsy ny rehetra aloha izany e.

Famehezan-tena ve?

Raha toerana mila fifehezan-tena na fanarahana fitsipika toy ny lakilasy, birao, toerana ho an'ny sarambam-be bahoaka dia toa tsy mahavoafehy tena ny ankapoben'ny tanora.
Ohatra: fa maninona no mbola mandeha mafy be ihany eny @ autoroute anefa efa misy làlana mipetraka hoe toy izao ny maripetra tsy maintsy arahina.
Ohatra: maninona no tsy matahotra miditra tara na voasazy any am-pianarana? fa vao maika aza hafaliana sy fampisehona amin'ny namana ho tena farak'izay henjana raha manao madiditra

Tsy fisian'ny fifankatoavana ve?

Tantara lava be, fa ny fiandohany dia noheverina aloha ny zaza ho tsy olombelona feno ary foana ny atidohany. Avy eo dia noheverina indray izy fa manana ny ampy ary misaina toy ny lehibe ka tokony ho resahina ho toy ny olon-dehibe 'petit homme'.
Fehiny:
- viens mon grand, parlons en entre hommes, à égalité!
Valiny:
-Putain papa, fais chier, pov' con ! (à suivre ici)

Ny ahy aloha tadidiko fa na bofy sy baina sy tay be aza tsy mba tononina eo imason'ny 'zoky raiaman-dreny zany e'! Sady amizay ny aty ve nama eo imason'ny mpampianatra ianao no mitsoda be sy mwà mwà be eo ! tsssss...

Noho izany ra-Xavier Darcos hono dia hampiatra ny TIG ho famehezana ny mpianatra tsy manara-dalàna!!! hahaha...

raha mba fantatrao ny valiny!

hoy Rado :
"(...)Ekeko marina ankehitriny fa ny fanolokoloana sy fanabeazana ao an-tokantrano toy izay natao taminay, no antoka voalohany haha firenena vanona ny firenena. Raha tsy any amin’ny andron’ny fahazazana no voataiza ny zanaka mba hahalala ny sori-dalana tiana halehany dia firenena poakaty feno tsangan’olona tsy misy ilana azy ny firenena."

(tsy ny fahalasanan'i Rado akory no nihavian'ity resaka ity fa sendra nifanojo @ hanatra ampitainy fotsiny ilay izy dia nindramiko sady manararaotra ny fiombonako alahelo amin'ny malagasy rehetra sy ny fianakaviany eto aho)

4 commentaires:

Anonyme a dit…

Tsy tarazon'ny fomba fitaizàn'ireo Ray aman-dReny "generation mai'68" izay mampihatra be fahatany ny filamatra "raràna ny mandrarà" (il est interdit d'interdire) ve ?

Misy namako mpampianatra iray izay mitaraina fa raha sendra mampiantso ireo Ray aman-dRenin'ireo ankizy maditra izy dia "f'angaha tsy anjaranareo mpampianatra ny mitaiza azy ?" no avalin'ireo azy. Mety ho ny fialàna andraikitry ny Ray aman-dReny no tsy ampy.

Ikalakely a dit…

Tomavana> Valifaty mihitsy angamba no azo hilazana azy ry Tomavana. Raha ny tokony ho izy mantsy raha ny fijeriko azy dia zavatra telo no manana andraikitry ny hoavin'ny ankizy: ny fianakaviany, ny fampianarana ary ny fanjakana(na ny manodidina azy, izany hoe ny tontolony) Raha tsy miara miasa ireo dia tsy mandeha arak'izay tokony ho izy ny ambiny.

Ohatra, raha zaza voafehy any an-tranony anefa rehefa eny an-dalàna na rehefa any am-pianarana zavatra hafa no atoro azy, tsy ho lasa adala ve ny zaza raha mifandimpatra ny zavatra ampidirina ao an-tsainy? Asa aloha fa ny fijeriko azy dia ny tsy fahaizan'ny rehetra miara miasa sy manana fijery tokana no mampitontongana an'ity raharaha ity. Asa anefa,

Anonyme a dit…

efa variana amin-javatra hafa koa ny ray aman-dreny ankehitriny (asa sy ny fiainana ary ny fialam-boly isan-karazany) ka toa zary lehibe fahatany ny zaza fa sady tsy ampy fitiavana no tsy ampy fitaizana matotra.

maintikely a dit…

Et pourtant interdire d'interdire c'est déjà interdire.
Les 68ards devraient s'en rendre compte depuis tout ce temps

En plus, un prof qui donne une gifle de rien de tout en riposte d'un manque de respect de la part d'un élève, on l'assigne au tribunal.

Tsy aleo tsy niteraka!