jeudi 10 avril 2008

MSN- me!

Hafatra kely ho an'ireo zatovo, mahafinaritra be manana namana be dia be . Indrindra rehefa lava ny lisitra eo amin'ny msn! Aza faly mi-tchat fotsiny!
Tsy mandainga aho fa misy olona mamorona pseudo dia tena atao farak'izay hita be mihitsy hoe anaram-bositra be ilay izy, ohatra ilovemissmajestic na systakarin. Tsy maninona fa iny aza no tiany. Misy indray olona manao solon'anarana hoe marc.daniel na jean-dujardin. Matomatotra kokoa fa tsy midika inona.

Omaly aza aho nanokatra msn dia nisy nandefa fanasana tao amiko: ny anarany, eloise. Tsy tadidiko mihitsy hoe iza ilay olona na taiza no nahitako sy nahalalako azy. Dia ni-accepter- ko sao lazainy fa miavona eo.

Ny adalako dia ni se connecte amin'izay i eloise dia nanoratra, dia nifananihany hoe "fa iza ianao, taiza no nahalalako anao sns e" Alefaso hoy izy ny cam' fa tonga dia fantatrao hoe iza aho.

Izaho tsy nandefa ny ahy fa hoy aho hoe alefaso ny anao dia avy dia hitako fa izaho tsy manana ho aho. Dia nalefany (afaka...angambany 53minitra niresahana an!)

Loza, loza loza...ankizilahy ilay izy! Ny eloise angaha tsy vehivavy? Sady niboridana be izy dia ...hainareo ny tohiny*! fa aleo tsy tantaraina eto [ tsy misy feo , tsy misy sary]

Tiako lazaina dia hoe : mitandrema ihany fa betsaka ny adala eto amin'ny aterineto, raha tsy voa tsy mino mantsy!!!! Na izany aza ny SIDA tena misy tena misy an!

*an an an kosa e, tonga dia novoiko tao amin'ny lisitra ilay "eloise" fa tsy hoe ny tohiny akory dia nijery florà be teo ikala, araka ny hevitry ny sasany!

12 commentaires:

Anonyme a dit…

beurk !
Iaho moa misaotra ny Avo fa tsa mahay sady tsa manana raha teknolojikanareo iooo.
Ny ahy rehefa tsy mikarajia - tena mahalana, misy namana tsy hitako n'aiza n'aiza dia any izay ny fara-fanantenako - dia ny gmail-ko eto ihany. Dia ny FOKO koa, indraindray kosa mba manala azy ao @ salon FBC ao ikalamako e, dia zayyy.
Na ny zanako aza efa folo hafatra mihitsy kle. Sady mody maka zavatra eto matetika ihany aho nefa hitsikilo hoe iza daholo sy resaka inona no eto.
Tsy hay intsony ity fandrosoana ity fa mandroso be koa ny fikorosian'ny toe-tsain'ny zanak'olombelona.

Anonyme a dit…

Hi hi hi - mampihomehy koa izy izany lol.

Misaotra re r'Ikala fa dia hitandrina a.

Unknown a dit…

euh stp pkoi je suis pas dans ton msn??????
Zà dray efa cas desespérée : @ telephone, laptop, msn, skype, gtalk, (merci adium), blog, forum, vref...
desesperada
Ny olona dray no leo fa zà eo foana!!!

Anonyme a dit…

Lalina indray izany ry Ikala koh !

ahitan-javatra anie ny hadalan'ny olona amin'ny internet é! marina moa.

Loza izany !

Ikalakely a dit…

ikalamako> "karajia" io marina ilay filaza azy, saingy adinoko kely!

danz akia ny olona an, tena jiolahimboto ny sasany! misy ny adala ary mivelatra ny fahafahany manao ny adalany ka mila mailo mihitsy!


pissoa> mampihomehy mahasosotra sady mahamenatra

Ikalakely a dit…

jogany> ao @ msn ndry fa tsy hitako mihitsy kooo


dadarabe> ny tena loza anie dia ny fahaizany mitarika anao hiresaka aminy, ohatran'ireny dia tena mpinamana be ireny taloha e! Sady amin'izay izaho izany tena nanana "sentiment" mihitsy hoe ouain fa tsy nahatadidy azy e!

Fanafodiny ry reto: aleo tsy manaiky camera na tsy mampiasa afa-tsy ho an'ny havana a!

maintikely a dit…

tsy mihomehy loza za fa tena mampime ilay izy. Fa ahoana no nazahoany ny adiresindry?

Ikalakely a dit…

maintikely> lazainy fa hitany tany amin'ny forum tany hono, marina aloha fa ilay izy tokoa tena miparitaka ihany e!ilay ampiasaiko ao @ fcbk
fa "éloise" ihany no sahy nikiadaladala, izay no mahadala azy! Vazaha ilay izy an, lazainy fa mpianatra DUT comptabilité ! hahaha Mitapy!!!!!

Anonyme a dit…

gasy ve izany r'ikala? eh ben ...

sipagasy a dit…

tena mahavariana mihintsy ny olona sasany ann, dia tsy misy henatra intsony fa hoe miafina aoa ambadiky ny ecran ao, tssss

Ikalakely a dit…

trinitty> menatra be aho raha gasy fa soa fa vôzà!

sipagasy> ialao miadana raha vao mandefa camera, tsy ny ordinateur ihany fa ny telephone koa dia ahitan-doza , mihavitsy fotsiny izy izao!

Crjo a dit…

Mdr :)