vendredi 21 mars 2008

Sary Indray Mipika

Malahelo be ao ry reto fa nazeran'ilay zaza ny appareil photo keliko efa mba notsitsitsiko ery (satria milay be ny sary avoakany), tsy lany herintaona akory ny niviadanana azy... dia vita be tery sady amizay tonga dia teo ambony carreaux an'ny douche ve namà!

Voakapoka be aloha ikalapeta...dia avy eo naveriko nandramana nalefa ilay izy, dia nandeha kely ihany; ka ilay zoom mantsy nisokatra fa saika haka sary anahy kalapendina dia kanjo nigorisa teny an-tanàny ilay izy [efa tenenina foana tsy hilingilingy!] . Niala aina miadàna nedàla dia namoy ny ainy ihany ny farany :(

Aiza ve ka efa fanintelony amin'ny app. photo numérique tato an-trano io vita be io izao!Efa nandalovana daholo ihany ny marka nalazalaza (nikon aloha: milay be ilay izy fa avy eo nalefa fa efa antetsa, olympus tsy namely loatra nefa be gadget dia nalefa koa, samsung ilay nianjera moa izany maty nitsitra nohon'ny hetraketrakin'ny tany!) andeha hamely canon indray izany izao...

Ary ny anareo inona?

17 commentaires:

Anonyme a dit…

dia ny telefonina sisa antenaina izany knou

Anonyme a dit…

aza misosoka alahelo r'ikala !

fa marina ny tenin'i rajiosy hi hi.

maintikely a dit…

ikala: ndro kouraz foana akia an! sony hono tsara fa za mbola tsy nanandrana an!:)
fa ny ahy ny mahatara ahy izao dia canon 400D farafalikamatiny !hihihihi
même pas en rêve

Anonyme a dit…

Ito ny appareil-ko http://lilia.hautetfort.com/archive/2006/03/03/canon-powershot-a610.html

Tsy dia lafo loatra sady mavita sary tsara : http://www.flickr.com/photos/lilia972/sets/72157600192787984/

;)

Anonyme a dit…

aza manary toky akia a !
* ny vola misy, ny aina matanjaka, ny tany manankarena...mividy vaovao indray no fanafodiny - mdrr
* sérieux aho izao : eo akia fa ça arrive a !

Unknown a dit…

iii io lilia (happy come back)
za aza tsy mahay maka sary na ny marque-ko aza tsy fantatro , andraso rem jereko....(dé lasa izy nitsangana...) ...Lumix Panasonic....commentaires?....euh...zay vao hitako ny fonctions" N&B" vita tompoko...

(ilaina be lé conseillère dondrona ireny)

ikalmako>positive et optimiste et romantique toi annnn

Anonyme a dit…

tiens, tsy automatika ilay lien html... Izay no tsy tiako amin'ny Blogspot, pffff
Canon A610 ny apn-ko

@Jogany. :))

Ikalakely a dit…

rajiosy> ie, fa tsy mahavoa tsara ny ahy ny telefaoniko raha hakana sary

pissoa> lol, tena nalahelo kely akia zà a!

maintikely> misaotra akia, mmmmhhh ny sary avoakan'io angamba an!!!
izao indray tsy dia tena mpividy lafo loatra fa ireny de base ireny ihany dia efa mety kanefa mamoaka sary tsara be!

Ikalakely a dit…

lilia> hitako mihitsy ireo sarinao mahafiaritra be, andeha jereko aloha io raha mety amiko ndray, misaotra e

Ikalakely a dit…

ikalamako> aiza akia ny vola eo, efa lany nividianana atodim-bitro ho an'ilay pendina daholo indray!

jogany> taiza koa misy architecte tsy mahay mampiasa app. photo fa aza be safary eo eee

ary canon no tena be mpampiasa an, angmba mety hijery canon izany!

ireny kelikely azo atao anaty kôpetra ireny mantsy ny ahy no tiako azony tsy mavesatra be koa amizay e,

Unknown a dit…

lé mora simba reny v?
bon chocolat!

Anonyme a dit…

asaivo aterak'ikalapendina daholo indray ilay atodim-bitro dia amidy indray hividianana canon dernier cri...

Ikalakely a dit…

jogany> tpt... tsy mora simba rehefa tsy mianjera kà!!!


ikalamako> andraso asaina andramany raha hainy mamoaka azy!!!

Anonyme a dit…

Canon, encore et toujours. :) Le même que celqui de Lilia.
Tombé plusieurs fois déjà, avec des cicatrices pour en témoigner, mais toujours fidèle. Car avant tout, c'est l'oeil qui fait une belle photo, l'appareil ne fait que le traduire. Enfin c'est ce que j'en dis...

Anonyme a dit…

ntsooo ... azoko an-tsaina ery. Ireny kala piso ireny an. Ny anay aloha mba notahin'Atra hatramizao le faka-tsary, telo taona tsy ni-do tam tany!!! Toshiba be madonta ny ato fa mahavita izay vitany ihany, hihi.
Fiononana: mahazo faka-tsary vaovao indray e.

Mahafinaritra ahy ery le fomba firesakao am teny gasy direkta be :-) Ohatr'ireny mifankahita tava ireny sady hita fa tena avy am fo, azo tsapain-tanana mihitsy! Dia iny koa aho manararaotra miteny gasy foretaka zato isan-jato, tiako ery!

Ikalakely a dit…

tattum> je suis d'accord avec toi, fa rehefa tsy manana ilay maso mety ampiana tosika kely amin'ilay appareil ihany an :)

Ikalakely a dit…

miangaly> tongasoa eto amin'ikala,

Samy manana ny fomba famoahan'ny heviny fa ny ahy izany ohatran'izao ny feeling-ko e. Ca dépend des humeurs koa ilay izy sy arakarakan'ny mouvement eo. Fa zà danz be raha hanao vary amin'anàna "asiako jumbo"