samedi 29 mars 2008

Enti_Mody Kilalao

["Aza ampijaliana ny tenintsika", avy amin'ny Ramose Lap, iray volana ny fotoana hamerenena ny enti-mody.]

Naoty: cyber fety amin'ny volana jiona? Izao dia efa mamonosa nem sy sambos e!

Izay tsikaritro ihany aloha ireto ry ramose Lap sy izay hitako ho manahirana ahy, ny tena moa tsy dia havanana loatra intsony amin'ny tso -drafitra sy ny vadi-drafitra!

Izao sy ny izaho dia samy hafa sy samihafa (mba azavao ahy ary iza no ampiasaina eto e)
> izao hariva izao: manondro zavatra
> izaho sy ianao: rehefa milaza ny tenako aho

Mihitsy sa mihintsy?

Asabotsy sa sabotsy ny FBC?

Vita tompoko ramose, mbola ho avy ny devoara sasany.

19 commentaires:

Anonyme a dit…

dia iny indray aho sy ny rakibolana :

samy hafa = tsy mitovy
(ohatra : samy hafa ny raozy sy ny lisy)
samihafa = isan-karazany
(ohatra : voaravaka voninkazo samihafa ny Lapan'ny Tanàna).

Mandalo matetika aho mangorona enti-mody ataoko anaty "archive" :-)

Anonyme a dit…

MIHITSY no izy fa tsisy teny hoe mihintsy anaty rakibolana.
Mihitsy : teny entina manamafy fa marina.
Misy ny teny hoe hintsy izay midika hirifiry amin'ny hatsiaka ==> mangintsy (ary izaho hatrizay nanao foana hoe mangitsy be ny andro, hay mangintsy be, lol)
Tena mitombo ny fahalalana e !

Crjo a dit…

Asabotsy : vient de l'arabe es-sabt et designe le septième jour de la semaine :).
Ny fitenenana gasy matetika tsy manonona "a" (cf alahady : 'lahady) no mahatonga ilay fitenenana hoe sabotsy.

Unknown a dit…

ahhh efa manomboka ahhhh
Mafinaritra mihitsy no mamaky an'ilay izy.
ahahhaha

Anonyme a dit…

an an an tsy mihintsy mihintsiny !
sa ahoana hoy ianareo ?

Anonyme a dit…

rajiosy : lolll

Anonyme a dit…

Tena tsy mba mety tadidiko mihitsy koa ny mahasamy hafa ireo samy hafa sy samihafa ireo :-P

Tsisy mihintsy mihitsy ony ao amin'ny rakibolana e lol.

maintikely a dit…

samy hafa sy samihafa:

samy hafa misaraka mampitaha zavatra roa tsy mitovy

samihafa mitambatra mampitaha zavatra maro tsy mitovy


hihihi io mba zavatra tadidiko tsara @teny malagasy

Ikalakely a dit…

ikalamako> misaotra fa tena tsy haiko hatramizay mihitsy io fa nataokotaoko fahatany fotsiny, hay toa nety ihany!

Ikalakely a dit…

crjo> izaho koa toa mitovy hevitra aminao raha ny fitadidiko azy dia toy asabotsy no izy, anefa (sa nefa) toa hitako any amin'ny blaogy sasany hoe sabotsy indray hono!

ikalamako o! rakibolana virtoaly akia a!

Ikalakely a dit…

Mahatadidy lesona daholo an!

Anonyme a dit…

tena mahay be daholo ka.tohizo fa tsar fa manakhery tanteraka anreo ny tenanko satria raha izao no mitohy dia tsy very mihntsy io teny malagasay io.milay ny fandraisana andraikitra e.

Anonyme a dit…

tena tsy naazo moyenne mihitsy aho t@ malagasy lool

Ikalakely a dit…

pakysse> tonga soa eto amin'ikala ary aloha e! Dia manantena ny fampiarana azy hono izany ramose Lap e,


Trinitty> ndry an...mandraisa ihany "anjara" na izany aza e!

Unknown a dit…

zà aza tsy nnana cours de Malgache na IRAY MONJA aza .... juste hoe tany @ sekoly alahady nadrintriny 60 ans dia ny-demerde tany....jerevo ny resultat....lasa JJ Rabearivelo be

Anonyme a dit…

ikalakely > misaotra betsaka na dia efa ela aza no nanarka fa iozay vao mba nanoratra ..............miala tsiny e!lol

Ikalakely a dit…

jogany> mahay be ilay mpampianatra sekoly alahady raha izaho an, sa ilay mpianany no mora mandray lesona?

Anonyme a dit…

Hafa indray ry Ikala ilay hoe "mpanolotsaina" fa tsy hafatra.

Tohizo foana é!

DadaRabe

Ikalakely a dit…

dadarabe> ohatran'ny hitako hoe mahafinaritra ilay mpanolontsaina satria misy fifanakalozan-kevitra, fananarana, fanampiana, hafatra sns fonosiny!
Anjarako sisa mandray na tsy mandray, toy ny eny amin'ny antenimiera! misaotra e