dimanche 2 décembre 2007

Dire NOn!

"Firaisana amin’ny zaza tsy ampy taona. Nahazo aretina ilay vavy kely 9 taona
(01-12-2007 ) - Nandraiky narary ilay ankizy vavy kely vao 9 taona monja vokatry ny firaisana ara-nofo nataona lehilahy lehibe iray 47 taona taminy.
Araka ny vaovao dia toa efa nisy fofona ratsy mihitsy nivoaka tamin’ny fifaviany ary nitangoran’ny lalitra izy. Tsy nety nandeha nianatra ilay zaza ary nilaza tamin’ny reniny fa marary.

Tany Anodovosira any Mananjary no niseho ity fanodinkodinana zaza tsy ampy taona ity. Raha vao fantatra fa narary ilay zaza satria tany amin’ny lamosiny tany no nitarainany fa misy manindrona dia nentin’ny reniny tany amin’ny mpanotra. Rehefa tany dia nilaza io farany io fa tsy misy zavatra tapaka na zavatra hafa ahiana ny tenan’ilay ankizy.

Notantarain’ilay zaza ny zavatra nahazo azy. Irakirak’ity rangahy ity izy. Efa maty ny rainy ary ny reniny no miahy azy. Tsy ampy anefa ny fivelomana koa dia tsy maintsy mikarama kely etsy sy eroa. Ny filazan’ilay zaza no nahalalana fa nomen’ilay lehilahy vola Ar.300 izy hanao firaisana taminy. Intelo no nisian’izany tao anatina trano rava eo an-tanàna. Tamin’ny fihaonana fahatelo dia raikitra indray. Tamin’io fotoana io dia nitaraina marary ilay zaza. HAR © Gazetiko"

Parce que c'est inacceptable.
Parce que nous sommes tous concernés.
Parce que cela fait mal d'entendre cela d'un enfant.
Parce qu'un jour nous serons tous parents.

Ne laissons pas la pauvreté briser le rêve de nos enfants.
Elle n'est pas une excuse!

Non aux abus sexuels commis sur des enfants

Ekeko indrindra fa any amin'ny faritra sasany any Madagasikara, rehefa tonga fotoana ny tovovavy dia mahazo alàlana hanana firaisana ara-nofo izy. Tsy haiko loatra na isika efa monina aty amin'ny tany mandroso izay efa voaova saina sy mahita ny zavatra tsy mendrika miampy ireo vokadratsiny no mahatonga antsika hisafoaka. Fa amiko manokana dia tokony halàna ao an-tsain'ny Malagasy amin'izay io fomba fitaiza io.

Marina fa mahantra Madagasikara, ary ekena fa mifangaro sy mifanandrify tsara amin'ny fomba tany ny fanakalozana ny zanaka amin'ny vola mba hiainana. Kanefa dia azonao ekena ve fa ny ain-jaza anie no miala? ary tsy ny vatany ihany no simba fa ny sainy iray manontolo mihitsy. Izay mety hisy fiantraikany any aoriana any.

Raha hiverenana ny resaka fanolanan-jaza dia tsy marina mihitsy ilay fiteny hoe "mamy ny zanaka", izay mampalaza an'ny afrikanina rehetra. Ao ambadik'izany anefa dia ao ireo marary saina mahavita manolana zazakely (latsaky ny faha enina ambin'ny folo taonany).

Raha tiana sorohana io fomba ratsy io dia ny fomba-tany mihitsy no ovaina, sy ireo fisainana tranainy be ananan'ny ray aman-dreny sasany izay mahavita mivaro-janaka. Indraindray koa aloha dia ilay zaza izay mahonena ny reniny no manonon-tena mivaro-batana. Ary rehefa marary vao milaza amin'ny manodidina na mbola mandainga indray koa aza.

Aiza ho aiza ny fanasorohana ireny ao anatin'ny MAP?

Les enfants victimes d'abus sexuel à Madagascar? Combien sont -ils? Pourquoi le font-ils? Qui s'en occupent?
A l'heure actuel, les malgaches ont toujours du mal à parler de sexualité avec ses enfants, à les prévenir de la conséquence d'une sexualité trop précoce. D'où vient le problème et comment le résoudre?.


Excusez de revenir sur ce thème aussi souvent dans le blog , mais c'est pour moi une façon de symboliser la journée du SIDA

4 commentaires:

Unknown a dit…

ucune excuse pour revenir ce thème au contraire tout prétexte est bon ...
bisoux

tomavana a dit…

Tant qu'on a la parole ... palabrons utile ... "Dire NOn!" ... c'est bien plus qu'une simple parole ... c'est une dénonciation en place publique ... c'est un acte de refus d'une situation ... quite à bousculer des normes établies ... quite à poser des questions manichéennes ... pour ou contre ... oui ou non ...

Cet acte je m'y associe ... et moi aussi : "Je dis NON !"

Ikalakely a dit…

ECPAT International no nanome anio teny "dire non!" io, ary hitako ho mety satria mazava nefa fohy ilay slogan ka mora tadidy.

Tokony ho melohina ho faty mihitsy ireny olona mamoha fady ireny, na migadra mandrapahafaty fa tena tsy rariny mihitsy raha zazakely toy izao no mizaka ny adalan'ny olon-dehibe rehetra tsy valahara ity.

Aiza ve koa aty finda koa dia olona mivavaka be izao dia misy manatsatoka antsy fotsiny tsotra izao any anaty lamasinina rangahy, amizay saika hanolana azy no tena tao anaty eritreriny.

Mampahonena mihitsy.

Anonyme a dit…

Zaho rey olona manan-janaka vavy efa lehibe. Fa tsy misy tsara ohatry ny fampianarana azy ny fiainana a ! Ny fanatonana azy, ny fanolorana hevitra azy, ny fanoroana sy fampiomanana ny loza mety hitranga hahafahany mitandrina mialoha, ny fankaherezana azy sns. Fa raha sanatria loza tsy azo ialàna ataon'ny tsivanona moa dia... andriakakiko ô ! loza tokoa ! anjara ratsy e fa enga anie ka tsy hisy izany fa asa angamba ny fahoriako !!!!!!