vendredi 30 novembre 2007

Ping Pong

Tsy resaka fanatajahan-tena tsy akory izy ity fa valin-kafatra nosoratan'Ikalamako izay tsy mety lasa "tsy mahazo alàlana" hono aho??? oay lety e... mila visas ve r'Ikala ny mametraka hafatra ho anareo a? LoL

Izao e, resaka fihavanana izy ity...oui oui je sais c'est le 104ème fois que l'on en parle dans la blaogasyfera...et comme disait mialy...s'en fout.

Hoy Ikalamako sy ilay manam-pahaizana notsenainy sy niara nikaly taminy momba ny fihavanana:
"Tsy mety hazavaina na adika fa hiainana. Ny Malagasy ihany no mahalala ny dikany satria izy ihany no miaina azy. Manana anjara toerana lehibe eo amin'ny fiainan'ny Malagasy ny Fihavanana."
Dia hoy aho manandrana mamaly...k'efa hoe tsy mety lasa ho aho ilay izy dia adikako eto daholo mihintsy:
"Oay, ay ve misy ikalamako @ teny galasam koa e? ary boribory ny blaogy an! sy ny glaoby!!!
Tsy azo faritana tokoa ny fihavanana kty! Angamba hoy aho dia fivondronan-javatra 4 izy io:
  • fitiavana
  • fandeferana
  • fahalalam-pomba
  • fahatokisana
Tsy afa mandeha ila izy ireo.
Raha tia ianao tsy maintsy mandefitra, raha mandefitra ianao dia mahalala fomba izay, ary raha mahatoky ianao dia misy fitiavana ao izany,

sa ahoana hoy Ikala?"

2 commentaires:

Anonyme a dit…

miala tsiny akia a, natahotra (s)pams tokoa angaha ny blaogiko tao, hihihi.
Efa tafiditra izy ao fa dia misaotra e. Ary dia marina ny teninao rahavako !

Ikalakely a dit…

>Misaotra e! Tsetsatsetsa tsy aritra fotsiny iny