mercredi 28 novembre 2007

Vita Be R'Ikala a!

Tsy misy ambara firy ho an'ny mpitsidika vitsivitsin'ny bolongana kelin'Ikala (mampihomehy koa ilay hoe bolongana!!!) Tsy maty aho akory, kay aza hitako tokoa...dia ahoana tokoa moa izany no atao raha maty aho? filazana manjo ve no hitanareo eto!!!

Miandry ny valin'ny Bombs izao no mafotaka...efa hita aloha ny momban'ny Cedric Kalonji (milay be ilay izy an, lany andro teo mihitsy r'Ikala isany) izay nahazo ny loka 2007 amin'ny bolongana afrikanina tsara indrindra, amin'ny teny frantsay araka ny voalazan'i Jentilisa ao amin'ny Global voices amin'ny teny Malagasy. Merchi bonkou...

Ankoatrizay dia kamo be fa efa akaiky ny fety, efa mijerijery ny vidin'ny vorona izay ny any an-tanàna, efa nampanjaitra ankanjo ny vehivavy, ary ho torajofo indray ny rehetra! Mihezaka ny tsy harary daholo fa manjary tsy mifety tsara.

Sanzélizé aza efa mirehitra jiro! midika izay fa frizy be any finda , revina sokolà sy kadô indray io 'zany...

Mazotoa daholo e

4 commentaires:

jentilisa a dit…

Dia nihomehy ihany koa aho namaky ilay soratra hoe bolongana...

tena faly aho fa mba mitady teny malagasy ahaka ny mba hoe madio be e!

Anonyme a dit…

mba tazano somary alaviro izany...
sanzelize mirehitra jiro !

Anonyme a dit…

ô sanzelizeee
ô sanzelizeee
a midiii a mino iii
ily ia tosé'kévoovolééé
ô sanzelize !

tomavana a dit…

'Zà nande tam'arabe
Nitsik'tsik sy nime'me
Mba mifanadal'dal
Nam'hendry nam n'adala

Niala any ianao 'lay manja be
Sady bikana no tarehy
Izaho niteniteny foana
Dia babo oa toa !