lundi 5 novembre 2007

Immersion Totale. La fin


Tohiny...

Rehefa vita ny revin-gasy dia tsy maintsy mba nihatsara velatsihy nanao revim-bazaha ihany ny tena. Izany hoe mifoha maraina dia manao visite-ny tanàna, ny aquarium, ny musée, ny manodidina. Andro tsena tamin'io ka nentin'ny tompon-trano niantsena nividy sakafo bio izahay sy ireo zava-bita eo an-toerana toy ny sel de guérande, ny caramel au beurre salé, ny bolée à cidre, sns. Ary dia mbola nihinana crêpe indray. Tradition oblige!

Rehefa avy eo dia nisakafo niaraka taminy ary toy ny fomba moa dia miara milatsaka any an-dakozia mamaofy ovy, mitetika karoty ny vehivavy ary ny lehilahy kosa dia nanao apéro. Eo dia "on essaie de refaire le monde". Miresaka ny fiainana, ny fomba fijery ny fiainana fa teto aloha dia ilay ramatoa no tena niresaka e.

Amin'ny ankapobeny dia resaka fomban-tany no tena nifampizarana tao- tsy haiko aloha na izany foana no fatao. Ny tsara dia afaka nanao sakafo spécialité malagasy ry Ikala ary niaraha-homana teo ilay izy (hen'omby ritra sy sakamalao). Rehefa tolaka ny andro dia nandeha nitsindroka châtaigne izahay - atao anaty lapoaly dia atono amin'ny cheminé dia lasa marron ny anarany. Nanaovany resaka lava be izahay momba ny châtaignier sy ny marronnier fa j'ai juste retenu ceci, suite à la question:
- ikalakely: "Mais ce sont des châtaignes ou des marrons?"
- eux: "(...) Si tu veux ( ie lasa mpinamana izahay, au bout de deux jours on se tutoie) Si tu veux le marron c'est le nom comestible du châtaigne. C'est comme le poulet, une fois que c'est cuit ce n'est plus une poule mais un poulet. (Cherchez l'erreur)

En conclusion fa manjary lava be, na Ikala aza leo.
Tsara ny mivahiny an-tranon'olon-tsy fantatra satria manjary mahafantatra azy.
Rehefa nanao fikarohana hoe fa aiza daholo ny mainty dia fantatra fa ny toerana nalehanay dia nifidy "droite".
Lasa nahay ny différence entre châtaigne et marron r'Ikala.
Tsy dia miady amindr'Ikala ity misy ora henjehina ity anefa miala sasatra.
Leo crêpe be Ikalaisany pour au moins quelques temps.
Nodiovina tsara ny efitra natoriana sao dia mamela souvenir ratsy eo indray hoe "nandalo teto indray ny gasy e!!!"


Et à la question: ferons nous la même chose l'année prochaine?
-bin il faut changer de pays dans ce cas là!


Vita ny tantara.

Raha misy olona mitovitovy amin'ny voalaza dia fifanojoan-javatra fotsiny ihany izany.


5 commentaires:

Anonyme a dit…

tsara dia tsara ny immersion r'ikala. Rehefa mandeha ikala amin'ny manaraka mba mitondra rezegà-n'ny "baobab" sy ny "sakay" - lava tànana, fohy tànana, ny chemisier aloalo... pour faire la différence du pareil au meme, hahaha.
Misaotra fa afaka andro mamaky blog e !

tomavana a dit…

:D Tsy andriko sahady ny tatitry ny fialan-tsasatr'Ikalakely mianakavy manaraka :D

Ikalakely a dit…

ikalamako> izay marina angamba no adino an!

tomavana> manjary manao fosafosa eto fotsiny anie e:))

Anonyme a dit…

:D dia aiza indray izany? Ataovy Soisa e, fa tadidio fa tsy mahazo miteny aingana ;)

Ikalakely a dit…

tattum> ho any @ tomavana daholo izany isika e! ;)