jeudi 25 octobre 2007

Ma Boulangère ou L'Art De Côtoyer Son Voisin

Zavatra iray tsaroako rehefa miditra épicerie any Dago ka hividy zavatra dia toy izao no mitranga. Ohatra:
-Hanaovy nestlé iray
Maka an'ilay nestlé ilay mpivarotra, manolotra an'ilay izy. Milaza ny vidiny.
Ilay mpividy manolotra vola dia misaotra dia mivoaka.
Ny zavatra iray koa dia tsy misy milahatra ny mpividy fa samy miteny izay ilainy, kanefa harak'ilay mpivarotra daholo.

Ny aty amin'Ikala anefa. Miditra.Maka filaharana.Miarahaba
-Monsieurs, Dames!
Mamaly daholo sady manao fijery mivilana kely manontany tena hoe "c'est qui celle là? je la connais, non?!" Dia samy mody mitsiky. Tranga tena miseho io indrindra rehefa hiditra boulangerie izay. Aty amin'ndry Ikala mantsy any amin'ny Zokibe, Gerb'Or sy Epi d'Or no Ambohimpiaonan'ny manodidina. Eo ianao dia tokony hividy bagety na tradition.
-Bonjour Madame!
-Bonjour, je voudrais 1 baguette et/ou une tradition s'il vous plaît!
-Quelle cuisson?
-Euh...normale ( sady mihanahana ihany)
-2 euros
-Merci, Au revoir. Monsieurs, Dames! (Rehefa hivoaka amin'izay, sady mitandritandrina) Pardon Excusez-moi. Merci. (Ouf...!)

Jerevo amin'izay ilay mofo nomeny anao (cuisson normale), tena io ve ilay notadiavinao sa tsy io? ILay mofo mantsy na bien cuite, na blanc no tena alain'dry zareo Vazaha. Ka inona ary izany ny cuisson normale: bien doré, cramé?
Miampy an'ilay protocole be sy ilay fiantsaram-belatsihy isan-karazany tsy maintsy atao. Moi je veux juste du pain et basta.

D'ailleurs le pain c'est autre chose encore!

11 commentaires:

tomavana a dit…

Ny ahy ny mba tsaroako rehefa miditra fivarotana any Madagasikara, sendra fakan-drivotra, dia ny mason'ny olona nivandravandra sadaikatra raha niditra aho sady niarahaba izato vahoaka aho hoe : "Salama daholo rey olona ô !"

Hay moa tsy misy miarahaba izany any fa ny matetika fa avy dia "ohatrinona ity ?" na koa "Mba omeo siramamy fahefany azafady ?"

Raha tsy hoe efa olona mifanerasera matetika angaha. Amin'izay indray dia ny mpivarotra sy izay olona fantatrao ihany no arahabainao.

Iza moa no mba nahalala fa ny ahy mbola any arak'ilay hira hoe "Arahaba-rabao ny vahiny, fa aza ihomehezana ... sao amin'ireny ny taolan-tehezana" ;)

Ikalakely a dit…

Tomavana> tongasoa eto!

Tamizao vao tonga teto andafy tany amin'ny oniversite nianarako indray, rehefa tonga ny ora fisakafoanana dia milahatra be hividy takilan'ny resto U, dia nomeko an'ilay namako vazaha ny vola (izy efa nilahatra aloha be), hoe mba hividiano takila ho aho. Dia nindrikina be nedala tsy nety hividy sady nijerijery be ny olona tao aorianany.Sadaikatra.Menatra.Sahirana

Tonga tany Dago aho dia nividy nem teo @ ilay mpivarotra malaza be eo @ totoha-baton'Ambondrona io. Milahatra sady mitrotro zaza dia hoy ilay rangahy tary aloha nahita ahy:
-Inona no vidian'ny madamakely?
-Nem
-Ento aty ny volanao dia vidiako fa manjary milahatra be enao sy ny zazakely
Dia nomeko.Sady tsy nisy tezitra ny olona tao aorian'ilay rangahy (fa nisy nivandravandra aloha e)

Anonyme a dit…

Tsara ity resaka ity. Ny ahy indray ny hitako dia misy ireo mpivarotra eto amintsika (antananarivo) tena milongilongy be mihitsy rehefa hividy zavatra enao. Raha vao bebe olona iny de tena tsy misy fisaorana sns fa tena manao didin'ny besandry. Ny molotr'ilay mpivarotra amin'izay tena mivongana be hoatran'ny hoe nofohazinao izy mivady nanao lasiesta iny. Azafady tompoko fa nanelingelina...tsy ny vola tokoa no taloha fa enareo mivady...

Anonyme a dit…

Tany Dago ikalamako fahiny miditra mpivarotra, tsy mitratrevatreva fa: "pink iray paquet", (tsisy bezoro tsisy azafady), atolotra ny vola, raisina ny pink afindrafindraon'i neny, dia lasa (nisaotra ve ? tsy tadidiko tsara !).
Tonga taty an-dafy ikalamako, mbola izay aloha ny fomba tam-boalohany (ny fitenin'ilay tany koa moa tsy hay ka niezaka niteny le moins possible!!!) fa avy teo "nanara-bolontany" ihany.
Nanao vacances tany Dago taona maromaro taty aoriana, miditra ny mpivarotra : (sadaikatra mitady ny formule mifanentana amin'ny any an-toerana) manahoana daholo tompoko sa manahoana o (bonjour! hoy ny vazaha, buongiorno! hoy izahay aty) ==> aminao daholo ny mason'ny rehetra, fomba inona angaha ity???. "Paté 150g dia mofo 2 azafady tompoko" (mba tsy foiko lahy ny pain paté any Dago, fa ry rainilita tsa tia paté ànga, dia tsa misy eny an-tsenany!).
Rehefa azo dia misaotra dia mbola manao kajy iray sy valo indray aloha hoe "veloma tompoko" sa "veloma daholo" sa "veloma" fotsiny alohan'ny hivoahana.
hihihi.

Anonyme a dit…

Mamanay mpivarotra aty Dago, ka aza teneninareo miavonavona izany izy fa izy ary be tsikitsiky lava. Fa na de izany aza, ndraindray izy mba vizana ihany de lasa kizitiny. Ny tena mandreraka anazy de le ankizikely be de be mifangongo ao @ le épicerie sady mitabataba mampisy "stress" be , nefa hividy bonbo arifolo tsirairay aby fotsiny...Fa misy zavatra nampihome anay tao @ épicerie an'i mamanay indray andro fa nisy nividy "croissance"... Inn hoy nareo ny tedaviny, ay kay "croissant".

Ikalakely a dit…

nantes9> rehefa be kosa ve ny kil' "r'Ianona" tsy hiavonavona izy an!
Anazy kosa ange io e

Ikalakely a dit…
Ce commentaire a été supprimé par l'auteur.
Ikalakely a dit…

ikalamako> Ka tsy hay intsony anie izy ty ry Ikala na resaka savoir vivre na resaka fahalalam-pomba na resaka fahazarana e,
Any an-tanàna enao raha mividy pink tsisy bezoro tsisy azafady dia tsy quoi zany!
Fa eto ianao manao an'io dia efa exclu de la communauté
( ilay pain paté @ ilay 1500fmg ve? rehefa avy mibosy dia mandalo eo @ ilay mpivarotra akaikin'ny CCA taloha iny; tsy tadidiko ntsony ny anaran-tanàna fa alohan'ny miakatra an'Antaninarenina na ilay ho any @ tunnel analakely, ao misy milay be! miam miam tendan-kanina...

jf>
-Hanaovy bonbon iray amin'ilay arifolo
-Ngah tsy misy majinika e?
-Tena tsy misy maman'i jf a! dix milles no nomen'i mamanay atakalo hono!
-Ssshhh...ka enao koa aza no vao voalohan-tsenako androany koa. Ngah tsy mila zavatra hafa maman'Ikala?
-Tsy haiko

[Tsy manao trosa anio, miverena rahampitso]

Anonyme a dit…

LOL tena tapa-tsinay aho !!!
Tu décris hyper bien l'ambiance hypocrite de ces boutiques de quartier.
J'imagine qu'à force de venir, ça va se dérider un peu plus, non ?!!

Anonyme a dit…

Izaho kosa anefa mahita fa any dago misy chaleur humaine kokoa rehefa eny @ ireny epicerie ireny. Izahay aloha miarahaba foana rehefa miditra amin'ireny e, mifankahalala amin'ilay mpivarotra mihitsy aza. Aty tsisy an'izany fa miarahaba fotsiny dia tsy dia miresaka zavatra hafa. Any anefa misy sendra mifankahalala ny olona dia miresaka. Fa ilay hoe "tsisy majinika" no mandreraka any. "Vaventy loatra ny volanao", angaha tsisy majinika mihitsy? Dia tsy mandray mihitsy ilay mpivarotra. Any @ mpivarotra saribao no manome majinika ! Saingy dia maloto be ny vola rehefa avy any !!! Ny an'ny nenitoanay sasàny amin'ny rano daholo ny volany!
Azafady fa izahay mponina tany @ bas quertier tany Dago ka mahita karazana fiainana hafa.
Ilay fiainana sarotra angamba no mampikizitina ny olona fa ny malagasy matetika sariaka be sy mandray tsara daholo e!!

Ikalakely a dit…

Anonyme> Misaotra anao nampiseho sori-piainana hafa ary mizara ny mamy momba ny Nosy Gasikara! Aza menatra miseho raha manana blaogy e?!