jeudi 25 octobre 2007

Etsy Babeko !

Mba misy zavatra iray mba tsy tiako amin'ny fivahiniako eto dia ity fitsikerana tsy misy farany ataon'ny vazaha ity.

Resaka fitaiza no tiako lazaina. Roa ny zanak'Ikala, Ikalapeta sy Ikalapota. Teraka an'Ikalapota aho -ilay faharoa- dia tonga nampifana ahy taty ny neniko. Rehefa mitsangantsangana izahay ka tsy mandeha alavitra dia trotroina Ikalapota na atao anaty kangourou, ary Ikalapeta mandeha tongotra na anaty posety. Eo aloha dia efa gagagaga daholo ny manodidina toa manao fijery hoe "io indray ny Afrikanina", dia ianao mamaly amin'ny voamaso be hoe "inona no jerijerena? izaho anagaha mpanakarena? tsindromiko ny antsy eo tena!!!".

Rehefa nody ny maman'Ikala dia notohizana ny fahazarana, rehefa izay sy Ikalapota dia trotroina amin'ny kangourou izy. Ka inona ny anao lahy, nanatitra an'Ikalapeta tany am-pianarana aho androany maraina dia natao tao anaty posety Ikalapota dia vaky vava ilay vazaha nanao hoe
- "Ah bin voilà, depuis le temps...vous deviez bien reconnaitre que c'est mieux, non?!"
Dia inona no havaly azy,
- "Oui, oui c'est vrai que c'est mieux"

Aminao tsy midika ve izany fa sahalamin'ny tokony hanaraka ny fomban'ny be sy ny maro ianao raha te ho...integré!!! Fa obligatoire ve izany e? Je vis ma vie POINT

5 commentaires:

Anonyme a dit…

Dans le kangourou, tu la portes devant ou derrière ? Moi je trouve ça hyper pratique et en plus les études expliquent que ça rapproche beaucoup l'enfant de son parent dans cette position.

Moi ce qui me choque plus, ce sont les enfants déjà grands qu'on continue à pousser dans une poussette (souvent déjà trop petite pour lui)

Et quand les gens me jettent des regards indécents comme tu subis, j'aurais demandé carrément "il y a un problème Monsieur ?"
Je ne supporte pas qu'on s'ingère dans ma vie quand on n'a pas demandé leur avis...

Ikalakely a dit…

Lilia> Ilay kangourou eo anoloana kà, Mbola kely loatra Ikalapota mantsy. Tsy izany fa mahatsiaro ny tany Dago taloha aho, ireny zaza trotroin'ny mpitaiza ireny. Tsy misy mitsikera, fa eto vao miala amin'ny ataon'ny fotsy hoditra ny lokon'hoditra hafa dia efa sahalamin'ireny inona ireny mihitsy.

Momba ilay posety indray aloha dia tokony ho ferana eo amin'ny fahatelo taonan'ny zaza e, rehefa mianatra izy dia tokony avela fa efa lehibe izy izay.

Anonyme a dit…

efa nahazo an'ikalamako koa io tamin'ny zanany nanomboka enimbolana. Mandeha bus foana izahay mianaka rehefa ho any amin'ny park na ho eny andranomasina dia trotroina foana ny zaza fa mandreraka be ilay mbola hamelatra sy hanidy posety, sady mbola ho entana hafa koa iny.
Dia voakiana foana fa "mijaly hono ity zaza". Inona angaha no idirany amin'ny aferako ! Izay azoko valiana dia valiako boraingina hoe izahay lehibe tamin'izao fomba izao, naninona anefa.
Ilay zaza aza tsy zatra posety intsony fa vao nahay nandeha dia lasa izao, tsy nisy an-kitrotro intsony fa niretareta nanaraka ny sitrapony teny sisa. Hany ka rehefa alahady mba miara-mivoaka amin'i dada mandeha fiara dia mba entina ny posety, dia ilay zaza tsy mety miditra ao anatiny fa izy indray no manosika ilay izy. Manjary nampirimina tany amin'ny fitoeran'entana ilay raharaha manga nony farany fa toa hi-rallye vide fotsiny k'ity !

Anonyme a dit…

azafady raha tsy mi"post" @ teny malagasy ;) Nous, mes beaux parents nous ont offert une poussette mais D. ne veut pas que je le pousse ! Il hurle ! Il se raidit ! alors je le porte devant, derrière, sur la hanche avec ou sans porte bébé ...

De toute façon, il est mieux à hauteur d'homme que dans une poussette ;) sady misy mpitaiza maro aty e ! Mais si j'étais en France, je suis sûre que je le porterai beaucoup, c qd mm dans les bras de maman qu'on est mieux !

La poussette c'est quand même encombrant en plus !

A bientot

Ikalakely a dit…

ikalamako> ny tena mi-scène dia ilay tavaratra be sy maizina be miangavy anao hanampy hitondra ny posetiny.Hay tsy ny vesatr'ilay zaza ihany no lanjaina fa ny courses-ny rehetra ao ambany ao daholo. Mama a!

Mia> tongasoa
Je me disais bien hoe comment une maman qui a vécu des années à andafy (donc normalement habitué aux poussettes, berceaux, et autres tralala ferait-elle une fois à Dago où tout cela n'existe pas (ou existe) mais utilisé que très rarement et voilà la réponse "misy mpanampy rehefa reraka i neny"