jeudi 25 octobre 2007

Ngah IKala Te Ho Vazaha?

Fa maninona ny mpivahiny rehetra no te ahazo ny zom-pirenen'ny tany ipetrahany? Tsy Haiko sady tsy azoko. Mahalala ny valiny ve ianao?

Izao ary, betsaka ny olona mifanerasera amin'Ikalakely, misy ny vao tonga ( 1 ka h@ 3 taona) , misy ny efa elaela (mihoatra ny 3 taona ka h@ 10 taona), misy ny efa nipetraka aman-taonany maro teto (mihoatra an'ny 10 taona). Ny ankabeazan'ireo olona ireo dia te ho vazaha, fa maninona loatra aza? Ny tena mahagaga dia Ikalakely koa voasarangotra ao anatin'izay.

Ao aloha ireo sokajin'olona vao miala any Madagasikara dia efa te ho vazaha. Ireny ilay olona ahenoana feo hoe "izaho indray aloha dia tsy maintsy vazaha fa iza koa no hanaiky ho esclave eo foana". Vao miresaka aminy ianao dia na izy efa mahalala alohanao izay efa monina teto naharitra noho izy momba ny fahazahoana taratasy vazaha, na izy isaky izay resahanao dia "ianao angaha efa vazaha?" " dia ahoana no nataonao, dia aiza no aleha, dia mankaiza?" " dia toa hoe izaho hono ny atao? dia toa hoe hono?" .
Mamaly ihany aloha ianao amin'ny voalohany fa avy eo ianao leo ihany - sérieux e!- dia gaga be izy, dia lazainy fa miavona, mialona, tsy mahay mifanampy indray ianao.

Ao indray ireo efa elaela no teto, tonga taty izy mbola nationalista gaigy lahy, génération Ratsiraka ireo matetika ka tena te hampiakatra mafy an'iDago. Mianatra mafy, mitady stage, mahita stage, mankafy ny asa dia toa te hijanona kely aloha. Dia nahazo CDI dia tsy nanao inscription dia tsy maintsy manova taratasy. Eto dia betsaka ny tranga mety hiseho 1>mahita vzongo izy dia vita ny papier 2>mampiditra taratasy ahazahoana mipetraka eto 10 taona satria mbola manin- te hody hoy Mamy Robinson izay 3>te ho vazaha dia mikarakara taratasy mafy dia tezitra fa lany Sarko 4>misintaka any Canada any fa any hono mantsy 5taona fotsiny dia efa kanadiana sa tsy izany Lilia sy Elodieriana?

Ireo efa nipetraka naharitra teto indray dia somary manana ambo kely hoe efa vazaha sady amin'izay mora kely no nahazahoana azy. "Ny ahy retsy notolorana fotsiny dia nalaiko a" "Tonga taty mihitsy ny préfet nanatitra azy!" na hoe "Merci Mitterand". Tsy misy ho lazaina intsony ny amin'ireo sokajy ireo afa tsy ny hoe dia inona ary no mahafaly anareo fa lasa vazaha e? Lasa mpiasam-panjakana ve? afaka mandehandeha mizaha tany ve? voaray ho isan'ny vazaha ve? Ka raha izay tokoa aza maninona no tsy mety mahafa- po 100% ny maha vazaha an'ny tena?

3 commentaires:

Anonyme a dit…

Ikala, Je suis tentée de dire que je fais partie de la dernière catégorie. Mes parents étaient peut-être de la génération Ratsiraka comme tu dis mais je n'associe pas ma position à la leur. J'ai la nationalité française depuis longtemps, bien avant de me marier. Puisque j'ai quitté Mada depuis plus de 20 ans maintenant.
Mais le fait d'avoir le passeport français ne fait pas de moi une vazaha pour autant. Et ça fait bien longtemps que je n'ai pas entendu cette assimilation papiers = race !

D'ailleurs j'ai toujours mis à jour mon passeport malgache alors que je ne m'en sers jamais. C'est une question d'identité.

Là on a fait la demande pour devenir Canadien, si tout va bien j'aurais la citoyenneté canadienne avant la fin de l'année. Mais ça ne signifie pas non plus que ça efface mon passé et mon identité (mes identités) antérieure... J'y ai droit donc j'ai fait la demande, c'est ma mère qui m'a appris ça car on ne sait jamais dans la vie ! Avec le passeport canadien, je peux aller m'installer dans beaucoup de pays du Commonwealth et les USA sans difficultés. Tout comme avec le passeport français, l'Europe t'est ouverte en grand.

Donc je comprends tes interrogations mais il faut considérer aussi l'aspect pratique. Avec un passeport malgache tu voyages très difficilement, il faut des visas partout, il faut payer à chaque fois. Je l'ai vécu pendant toute mon adolescence car j'aimais aller aux USA... Aux postes de police et de douanes des aéroports, tu bloques la file à chaque fois. Si tu peux donc avoir des papiers plus discrets, pourquoi s'en priver ?

Anonyme a dit…

Pour te répondre, au Canada tu peux faire une demande de nationalité dès que tu as résidé ici pendant 3 ans. Ensuite le processus complet après le dépôt prend entre 15 mois et 18 mois.
Rien à voir avec les chichis de l'administration française débordée !

Crois-moi, j'ai vécu les deux. Pourtant j'ai eu ma nationalité française facilement mais les règles ne sont pas toujours très claires et tu changes d'agents souvent. Avec Sarko je ne sais pas ce qu'il en est par contre !

Ikalakely a dit…

Lilia> Misaotra mandalo mitsidika! Momba ilay anaran-jaza aloha dia hay ve efa hitanao ilay izy e!

Momba ny resaka taratasy indray dia tena manahirana ny maro mihitsy ilay izy, tsy haiko na ny eto frantsa mihitsy no mahatonga azy ho sarotra toy io na ahoana (izay no mahatsara hoe misy olon-kafa milaza ny experience-ny) fa ohatran'ny hoe tsy mety izany ianao ho vazaha raha tsy efa tena masaka be ao an-dohanao hoe hi-renier ny tanindrazanao.ILay vazaha eto mihitsy izany no ohatran'ny tsy manaiky e.
Ka izay no tena mampanontany tena ahy hoe hatraiza marina izy io.

Fa ekena aloha fa raha ny tena marina dia resaka ravin'ahitra no ilana taratasy vazaha e. La côté pratique comme tu le dis.