mercredi 23 décembre 2009

Mba Tiako Loatra Ny Andro Mialohan'ny Noely

Aty findà ho aho ny olona ohatran'ny tsy hitako misomibesiby miandry fety e? Ny tena tsikaritro dia ny hoe :
- "tu pars quelque part pour les vacances de Noël? "
- "non, non et toi?"
- "bin je vais chez mes parents comme tous les ans quoi! la dinde, le foie gras, la bûche de noël pfff la routine"
- "ah ouais c'est cool, j'aurai voulu partir un peu mais bon... temps de crise oblige"

Dia izay no mihodikodina eo, any am-piasana dia vacances no mahamay. Mifampitantara hoe iza no andeha ski, iza no andeha any amin'ny tany misy masoandro. Dia raha mifankahazo ny mpiara miasa dia manao échange de cadeau .

Ny eny an-tsena indray dia volana novembre, vao tapitra mihitsy ny halloween, dia efa miala any ny kilalao ho an'ny ankizy, ny chocolats, ny foie gras, ny saumon sy ireo sakafo andro fety. Dia iny koa ny olona mameno rayon miantsena, toy ireny matahotra hoe ho lany mialoha daholo ireto entana. Izao aza efa misy mivoaka sahady ny galette nefa mbola 6 janvier ny chandeleur…

Ny ankizy moa dia volana desambra iray manontolo dia efa mikarakara noely any an-tsekoly: hira, sapin, calendrier de l'avent, fampihaingona trano, miandry an'i dadabe noely e

Ny mpanontany sy mpandrisika koa etsy andaniny avy dia mametaka be:
- "Alors ikalapeta, tu sais ce que le Père Noël va t'apporter cette année? "

Tena resaka consommation fotsiny sisa, dia fanolorana cadeau dia fisakafoanana hanim-pito loha, dia tsena sy fialan-tsasatra fa adino ny maha-noely ny noely.

Dia izao koa ny gardien koa mba miandry vola faran'ny taona avy amin'ny rehetra , misy aza hono ry reto manome 100 euros ny mpiandry immeuble-ny, anefa ry zareo 200 angamba raha kely no mipetraka ao. Saika nipoaka ny voamasoko hoe ohatrinona? dia firy ianareo dia ohatrinona izany no azony? 20 000 euros eo ho eo izany? Dia izay vao tonga saina ilay vazaha adaladala hoe kay!!! ary tsy nokotiko izany hoy izy, sady nampiany hoe ka izy aza mba miambina ny trano. Dia novaliako hoe "tu habites dans un immeuble de 14 étages, il y a deux codes
d'entrée chez toi (un au portail et un à la porte de ton immeuble, ta porte est ultra blindée et t'as besoin d'un gardien d'immeuble ? d'autant plus que tu payes 300 euros de charges par mois par locataires pour payer la gardienne (qui ne s'occupe même pas du nettoyage de l'immeuble, juste de garder le hall propre et de dire bonjour à qui veut et de mifosafosa de tout le monde?) .P'tin je me reconvertie en gardien d'immeuble alors, payé, nourri, logé, aimé et ne nous étonnons pas si les portugaises ont une maison de 300m² chez eux et que toi tu restes dans ton F2 à 300.000euros

Ny anay ho aho rehefa ohatrireny dia izay foy no omena dia manao valopy dia iny no omena azy, tsy ferana raha te hanao en plus. Fa ny azy hono tena làlana efa napetrakin'ny mpanofa efa ela tao hoe 100 eur par tête, dia izao indray no nahazo 'radine'. Dia hoy aho hoe tsy radin izany fa zavatra logique sy raisonnable.

Dia izany ny noely aty an-dafy re olona o, mijery jiro mirehitra sy mankafy taolam-pifika sisa fa vitsy no miditra am-piangonana, manao crèche, sy mibebaka ary mangatam-pitahiana.

Eny e, tsy azo adinoana koa aloha fa na dia tany katolika aza la frantsa fahiny dia efa laïque izy izao ary libre ihany koa. Ka tsy terena hivavaka daholo akory ny rehetra raha tsy fombany izany. Fa ho an'ny mpino tsy miditra am-piangonana na mahatsiaro fotsiny aza hoe andro natokana ho fahatsiarovana ny nahaterahan'i Jesoa ny noely no mahonena ihany. Raha ny tena marina mantsy hono dia tsy ny 25 desambra no daty nahaterahan'i Jesosy ary tsy ni-fêter-ny anniversaire-ny akoriny izy fa ny olombelona sy ny tantara no namolavola sy nanova azy . Tsy maninona izany !

Izao 23 sy 24 desambra izao no fanaovana alina masina, na koa amin'ny fiteny tsotsotra sy mahatsikaiky: fiarahana mieti-jaza amin'i Maria, ka samia masina amin'ny taniny e


4 commentaires:

miangaly a dit…

LOL Joyeux Noel akia. Manantena aho fa nitondra kdo ho an'i Jesoa zazakely ikalapeta an!

ikalamako a dit…

lolll mba omeo ahy ny adresse-n'izany immeuble zany mba hametrahako CV leaza !!!. Toutes les fins d'années ve nama 20.000.000 euro. Efa lasa adala ny vazaha, tsy hitany izay handaniany ny volany. Tsy mahagaga intsony raha mbola misy koa ny fizarana vola any aminareo. Aty indray aloha dia tsisy an'izany e, samy Afrika daholo ihany moa koh. Raha azony atao aza ny maningina kely ny karamanao pour un motif ou un autre dia ataony lolllllll

Kdaombaramita a dit…

200 x 100 = 20 000 euros kosa ry Ikalamako a ! oay lé !!!! Aza alefalefa any ny cv fa concierge à vie izay olona izany izao, jereo aloha na firy taona na efa amoron-tevana vao mandefa ! ha ha ha ! Mahita lazaina koa ikalakely ity ka !

manjinja a dit…

d nivavaka ve zany enao tam noel e, zay no fanontaniako , ihih