mercredi 18 mars 2009

Dadanay...dadanay

Mba tiako zaraina aminareo fotsiny ny andro anio... Izay dadanay izay mantsy, efa lasana nody

Tsy dia fanaoko loatra ny mitantara ny fiainako antsimpirihany eto amin'ny blaogy kanefa androany kosa dia tsy mety afaka am-poko raha tsy manoratra eto aho.

Manontany tena aho mantsy hoe: "nanao ahoana ny fiainako raha tsy nandao an'i Madagasikara aho, ka nijanona teo anivon'ny ray aman-dreniko?"

Nanao safidy aho anefa ...

Ary hatramin'izay nialako tany an-tanindrazako izay dia tsy nitsahatra aho namisavisavisa ny famoizako mandrakizay ny iray amin'ny ireo nahitako masoandro. Tanteraka izany... roa taona izao.

Ny tena mafy? tsy afaka nanao veloma farany aho! Noheveriko fa mangidy tsy hay leferina ny fisarahana an-tany. Hay mbola mafy noho izany...

Mitohy anefa ny fiainana. Mbola hifankahita tokoa ve any aoriana any?

4 commentaires:

Anonyme a dit…

courage, courage foana fa fiainana daholo izany e!

tomavana a dit…

Kolokoloy tsara Ikalapeta dieny izy ao ambany tanana io ... hanidina izy rehefa ary elatra ... satria lalan'ny fiainana ny mandao ny akany.

Mananà fiononana Ikala a !

Mitia Fanou Thandy a dit…

salama ô! ndryyyy mahatsiaro an'ny mamanay aho @ty post-ndry ty! izy koa efa lasa dia sal@zay mihitsy tsy hitako, vao tonga tety @tanin'olona tety aho 1herinandro dia lasa izy ary tena nahasanganehana t@zany ary hatr@ izao fa tsy hay hoe inona no nahalasa azy satria mbola tanora sy salama no mahavitrika fa dia atao ahoana moa?
dia mitovy @ndry zany koa ny fanontaniako hatrany hatrany, fa mankarary loha ka aleo tsy hieritreretina. Mamanay tsy naheno akoriny hoe "tonga tsara tety ny zanakao" fa dia lasa izy tsy nanao veloma.
Zà klo tsy mahatoky hoe hihaona any aorina any e.
Courage ndry sy kalapetandry

Anonyme a dit…

Andao mba hilalao kely indray rangà, http://pakysse.wordpress.com/2009/03/27/tag-ho-any-blogosphere-izy-ito-an-sondage-foko/