Tampoka teo androany...matetika isan'andro "Aza omena tsiny aho" hoy Njakatiana izay, ohatran'ny adala tsy ampy sakafo ikala dia te handrampaka hanina be. Aty aminay moa ambanivohitra ka ny kaly sinoa somary "vôtany" , any sisa azo natao dia nahandro. Ny nety eto misy, nojerena ny foto-tsakafo sinoa dia iny ary fa nanokona. Izao no navoakany...

Izany hoe hafa ihany ny orizinaly. Jereo etsy amin'ny sisiny etsy ny rohy fa hitako masaka be io sipa mpahandro io , sady ny azy alainy sary daholo ny zavatra ilaina, tonga dia mizesta be any @ Tang rehefa miantsena. Hahahaa...