dimanche 11 mai 2008

Ny mahafinaritra aloha...

Manao inona ny ankabeazan'ny malagasy tsy miditra am'piangonana aty finda rehefa andro fety toy izao? ...Ny any an-tànana izay nianjaika mafy sy nihinana sakafo mafilotra. Maka maika aina, mijery fahita-lavitra na mamangy havana. Rahampitso mbola hiomana vao maraina handeha hitsangatsangana. Hanao picnic e, ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra.

R'ikala mianakavy indray anefa na dia tsy nanadino ny pentekoty aza dia nanome lanjany kokoa ilay devoly kely misy rambo manaraka azy tsy an-kijanona efa h@ fahakeliny. Maditra am-piangonana! Voatsongo lava, mivoaka rehefa toriteny, te hanandrana ilay rano menamena ao anaty vera dinety iny,( dia lasa mangalatra mihinana sy misotro tsimoramora rehefa vita ny fiangonana ka manisa rakitra ry baina sy bofy!, pour le plaisir dia arahina mofo kelin'ny jesoa, dain tsy misy tsirony orera be kay!!!) . Ny rakitra anefa amin'io tsy narotsaka fa mbola hividianana grefy sy kafe an, ty 'ngah adala ela be anie ilay fandraisana teo e!!!! Soa ihany fa tsy misy tombom-barotra enjehina na vinavina ny isan-drakitra ka tsy ho tratra mihitsy na dia tsy androtsaka an'ilay ariary zato aza. P'tite pièce symbolique ny ahy no omeko, iny ny mba fahafolon-karenako (divisez-o ny ariary zato), sady jesosy tsy nanokatra compte paypal andefasana an'izay vola voaangona akory...

Na izany aza ... resaka mandalo ny ahy fa radem' tandremo ihany...malama anie ny tany e

5 commentaires:

Anonyme a dit…

zah hoatran'ny tsy mahaaraka ireo fetim-piangonana intsony nony efa nanakaiky ny tranon'i Dadabe Benoà kle ! tsy voako ilay mivavaka raha tsy lamesa iarahan'ny Gasy - donc @ teny gasy - fa sady tsy hihira no tsy hanao tsianjery ny public aty fa tena spekta fotsiny tokoa. Ny chorale sy ry zareo tompon'andraikitry ny fiangonana daholo no manao rehetra. Dia manjary mi-s'am ikalamako, tssss.
Sady ilay zana-bazaha manome litika fa mipelipelika mahate-hametaka ireny foana, ry ray aman-dreniny toa mitanaka vava fotsiny, zareo rahateo toa tsy mba mihaingo mba manaja an'A/tra rehefa alahady (mba endimanché, lol)fa toa ny jean's sy ny blouzaka isan'andro ihany no entina miangona hany. Ny anay na dia hoe excuse hanaovana ilay robe tsara tarehy tsy azo anaovana afa-tsy andro alahady ihany aza dia efa antony iray hankanesana any, dia mba manezakezaka mihira ny andininy rehetra.
Kay ilay komonio voalohany aza moa no grave. Ilay aube hanaovana mandritra ny cérémonie fotsiny no hahalalana hoe misy atao komonio voalohany androany, fa vao mivoaka eo ry fotsy dia atsipy ilay kirebareba dia ny akanjo toa ny isan'andro ihany no ao : tennis, ballérine, jeans (mba atao fotsy fotsiny), pantacollant na pantacourt, nefa aiza ny akanjo dentelle-nay sy ny couronne-kelinay tamin'izany...

maintikely a dit…

loolll
tpt mitsy za amindry ry ikala

za tsy niditra ampiangonana t@ androany!mifona jesosy
raha tany mada sure nefa fa nandeha niaraka t@ akanjo vaovao(raha nisy sosy nividianana azy)
Fa ilay picnic andro fety aloha tsy voako e!lol be olona loatra
rehefa tsy fety dia tiako ny mande :D



ikalamako: ny anay aza akia ny fiangonana vaza antitra daholo à 98%. Dia ny tanora rehefa mandeha dia miaraka @m'en fous ny akanjo sy zista en corps!lolll
ohatry ny tsy mahita haingam-panahy za rehefa fiangonana vaza! fa na ny toriteny aza ohatry ny tsy misy aina fa monotone be!hafa ihany rehefa rapasy :))

Anonyme a dit…

:-)))) ikala de retour

Ikalakely a dit…

Ikalamako> Ny ahy aloha no tsy tantiko indrindra dia ilay ela be ny fiangonana fa misy batisa, fandraisana sns sns ... dia eo adin'ny efapolo eo ihany e!

Maintikely> Tena ekena fa tay be ny olona mitsangatsangana rehefa pentekoty an! Ty shifankahitana ny parc

Miangaly> Tsy nandaitra akia ilay cure de désintoX a! tsy maintsy hoe niverina...

Rajiosy a dit…

tsss tokony halàna devoly daholo reto !