mardi 11 décembre 2007

Moins De 18 ans s'Abstenir!

Vous êtes prevenus r'Ikalakely sy Ikotokely isany, ny zavatra holazaiko manaraka eto dia tsy azon'ny zaza latsakin'ny 18 taona vakiana. Ary tena nahagaga ahy mihitsy ilay hetsika izay sendra hitako tato. Resaka tsy fampiseho masoandro izy ity raha amindr'Ikala kanefa dia nomena lanjany hafakely ilay izy. 'Global orgasm for peace' soa fa tsy eo intsony dadabe sy bebe...na ny dikany amin'ny teny gasy aza tsy haiko.

Ny journée de l'orgasme global 2007 hono dia
  • natao ho an'ny rehetra, na vavy na lahy,
  • n'aiza n'aiza misy anao eto an-tany, noforonina mba hamonoana ny herisetra
  • mba ahafahana manome hery lehibe indray miaraka ho an'ny tontolo (tena tsy haiko ny mandika azy!!!)
  • ny andron' ny solistice d'hiver, 22desambra, @ 6.08 GMT.
Raha te hahalala bebe kokoa momba ny Global Orgasm

sary: Alexandre Maller
Vu dans nuexpo (expos virtuels de nu artistique)

8 commentaires:

Anonyme a dit…

tsy natao ho an'ny zatovo ory gasy mazava ho azy !

Anonyme a dit…

oudry ! ary aleo hipetraka tsara ato an-trano amin'io andro io fa sao be ny mpanenjika eny an-dàlana rehefa mamba orgasme, brrrr !
Sao dia hoe "andro iraisam-pirenen'ny fara-tampon'ny fahafinaretana amin'ny firaisana ara-nofo" (hihihihihihi ; mdr) no andikana azy r'ikala.

Anonyme a dit…

s.h. "fahafinaretana mitambam-be" izany e !

maintikely a dit…

iny ndray no tsy hitako. Fa dia sûre ve ry zareo fa dia ho tratra ny tanjona dia ny hamonoana ny herisetra?

Ikalakely a dit…

rajiosy> hahaha, misokatra ho an'ny rehetra kà

ikalamako> mety io fandikan'ikala azy io fa lavaaaaaaa...tsy hivoaka ahoana ary?! hihihi

maintikely> faly hifaly fotsiny ny olona fa inona koa izay hiova eo

tomavana a dit…

Na dia hoan'ny fandriam-pahalemana aza ... dia aza adino ny mampiasa fimailo ;)

Anonyme a dit…

fa ahoana kosa no tsy maitsy ho tamba be vao mety le izy?
Tsy aleo ve atao hoatran'ny fanaon'i N. Hulot hoe hatao ao anatin'i dimy minitra.
Raha misy "manao faobe" de aza adiny ny sary na oronantsary fa liana aho an lol...

Ikalakely a dit…

nantes9> LoL, :D
Zay zany hono e, miandry horonantsary hono nanty!!!