lundi 5 novembre 2007

Immersion Totale

Resaka fialan-tsasatra izy ity r'Ikala isany. Nanandrana an'ity resaka chambre d'hôte ity mantsy Ikala nandritran'ny efatra andro. Tany avaratr'andrefana ny hexagona no toerana nandehanana "naka aina".

Misy zavatra be dia be tokony ho tantaraina fa angamba mety hisy épisode 1 2 3 izy ity. Voalohany indrindra aloha dia tiako lazaina fa tsy dia tena fanaon'ny malagasy loatra ny mandeha vacances ka hoe hipetraka any aman'olon-tsy fantatra izany. Manahirana ny mivahiny an-tranon'olona e. Ka izay indrindra no antony mba nanandraman'Ikalakely,Ikotokely, Ikalapeta sy Ikalapota an'izy ity.

Ny andro voalohany nahatongavanay aloha dia mbola nitonagaga nandinindika ny haben'ny trano fonenanan'ireto olona ny tenanay mianakavy kely. Ngeza izany trano izany zalahy. Na dia efa hita tamin'ny internet teto ihany aza ny endrikin'ny trano dia hafa ihany ny hita-maso. Nony nisokatra ilay varavaram-be (angamba izy efa nitsikilokilo ny ora fahatongavanay- tara ora 1 sy sasany nohon'ny voalaza taminy mantsy ny gasy kely)

- eux: "bonjour, bienvenue" (hifanoroka sa hifandray tànana fotsiny. hésitation)
- nous: "bonsoir, merci"
- eux: "entrez, entrez je vous en prie. Tenez, je vais vous aider."
- nous: (zaza roa an-tanàna, valizy iray an-kelika) "Non, non ça va aller" - miseho milay koa ve e? sa maninona e?-
...
- eux: "vous avez fait bon voyage?"
- nous: "oui oui ça va"
- eux: "il y avait du monde sur la route non?, ils ont annoncé du rouge sur bison futé"
- nous: "euh, oui ça roulait quand même" et pour faire vazaha "c'est assez cher quand même l'autouroute ici pour une deux voies"
- eux: "c'est vrai mais bon, je crois que il pense l'agrandir d'ici 2010"
- nous: mmm... ( comment ils vont faire chez ponts et chaussées? c'est dans 3 ans et il y a 100km d'autoroute, même pas vrai ce qu'il dit...)
toy izao ny firesakin'ny tsy mifankahalala toetra sy tarehy sy fomba amin'ny voalohany.

Rehefa vita ireo dia avy dia niresaka be ny tompon-trano vavy ary mazava ho azy fa efa nomaniny tao an'efitranonay ny "cadeaux" (panier misy karazan-tsakafo breton). Ary kilalao kely vita avy ao an-toerana ihany -namboarin-dramatoa ho an'ikalapeta sy ikalapota hono e. Dans ma tête:

Raha misy manome
Zava-tsoa ho anao
Kingà miteny hoe
Misaotra tompoko o!

- elle: "venez, on va faire le tour de la maison" ( à 11h du soir io)
Efitra miisa ho 7 angamba ny fatoriana fotsiny. Ny salon dia lehibe dia lehibe, ny lakozia, ny salle de jeux, ny douche misy roa, ny WC misy telo: iray any ambany, ny iray any ambony, ny iray any ivelany mifanakaiky amin'ny lakozia. Misy efitra fasiana sakafo fotsiny( confiture fait maison, conserve, congélateur,sns), misy efitra fitoerana drap sy fipasohana (na buanderie), misy tranokely fanaovana peinture, misy lavarangana aty ambany (terasse fanaovana scrabble, trivial pursuit, monopoly, tarot, sns). 45mn no nanaovanay ny "tour de la maison" tsy nivoaka tany an-tokontany io. Il paraît qu'il y a un terrain de tennis, une allée privée pour "se promener", des pommiers, des cerisiers, des potagers, une petite ferme. Waow

-eux: "on va manger bio" (re-waow)

Ny ampitso
Nony andeha hatory aloha izahay dia efa hoy ry zareo hoe amin'ny 7 ora sasany dia efa vonona ny sakafo maraina ka hatramin'ny 10 ora. Efa nomeny brochure koa mampiseho an'ireo zava-mahaliana eo an-tanànany. Pas grand chose!

Impossible de se réveiller à 7h30 du mat' pour manger des croissants, des confitures, du lait, des fruits, des yaourts ...bio fait maison. Donc la tribu a choisi la formule 10h.

- eux: "vous devez vraiment être très fatigué de ce voyage, pardi! A cette heure-ci il n'y aura plus grand chose dehors"
- nous: "il n'y a pas meilleur qu'une bonne nuit de sommeil pour récuperer, vous savez?!" (et j'insiste)

Mbola hitohy...
Fanahy iniana natao vary amin'anàna fa tsy miainga ny inspiraka ry Ikala a.

2 commentaires:

Vola a dit…

J'ai l'impression d'y être :)
Sympa le "château" ... Waow :)

Ikalakely a dit…

Vola> Zany ve? hihihi ndao hiaraka e!!!