vendredi 26 octobre 2007

Ilay Boky Nodorana Nefa Tsy Levona

Ny Baiboly. Tantara lava be. Tsy hain'Ikala tsianjery.

Tadidin'Ikala tsara angamba fony kely ny fitadiavana pejy ao amin'ny Baiboly- testamenta taloha io. Samy manana ny hafetsifetseny ny ankizy rehetra. Ankoatran'ny Salamo mantsy dia somary manahirana ihany ny mitady ny pejin'ny Hagay,Obadia na i Rota. Tsy dia tena anisan'ny boky famaky na h@-zao aza ny Baiboly kanefa dia mahagaga fa ny sarimihetsika momba azy kosa dia nahafa-po an'Ikala.

Taona 1987*, nalefa tao amin'ny tranon'ny Mampiely Baiboly tao Antaninarenina ny tantara "Ilay boky nodorana", dia anisan'ny mpijery Ikala sy ny renibeny. Na dia tsy nisy azony tanteraka aza ny votoantin-dresaka dia nampilatsa-dranomaso azy kosa i Rasalama nolefonina sy ilay vehivahy bevohoka nodorana velona ary ireo maritiora nalatsaka an-kady avy eny @ rova.

Amin'izao fotoana izao kosa dia mbola mipipika ao an-tsain'Ikala ireo olona nampisotroina tangena, ilay ramatoa vavy lanjaina, ilay tovovavy tsara endrika antsoina hoe Ranivo, ireo olona marobe manao akanjo fotsy miafina any anaty vato.

Ary satria Ikala efa mato-tsaina amizay, dia mba manao ahoana kosa ary raha anio izy no mamerina mijery ilay sarimihetsika sy miezaka mandalina ilay tantara lava be? Ka io tsinona tsy ho levona mihitsy koa.

*t@ Martsa 1973 no niseho voalohany teto Madagasikara ny sarimihetsika "Ilay boky nodorana nefa tsy levona" nosoratan'i Val Razakandrainibe. Jereo eto (Mampiely Baiboly) sy eto (en ML) ary eto (en FR).

1 commentaire:

Anonyme a dit…

Manao ahoana!
aiza kay no mety hahitana an'io Film io. misaotra mamaly