mardi 1 décembre 2009

Tout n'est qu'apparence...

Efa hiaraha-mahalala moa ry zareo fa isika malagasy dia adalan-damaody. Amin'ny maha-zana-tany frantsay antsika angamba no mahatonga an'io. Na ny Eropeana mihitsy no miavaka

Raha toa mantsy ianao mandeha any @ tany anglisy any ohatra, dia hita fa tsy dia miraharaha bika sy haingo loatra ny ankamaroan'ny olona. Ny atidoha no jerena fa tsy ny seho ivelany.

Mampatsiahy ahy isan'andro an'ilay olom-patatr'i nenibe anay izay: mampiraty aminy foana hono io ramatoa io isan'andro hoe mahazo firavaka na akanjo vaovao hatrany. Ilay ramatoa moa dia miaraka sampana @ bebe, ary noho izany dia asainy hiara-hisotro dite any an-tranonay foana ireo sampana vehivavy. Ilay raika vavy io dia "mampialona" an-dry zareo mihitsy satria sady efa tsy vitan'ny be zesta fa mbola misehoseho sy be anatra ihany. Toy ny fivorian'ny vehivavy rehetra moa dia irariana raha mba mihodina ny fandraisana an-trano. Ary isak'izay tonga eo @ ilay ramatoa dia mahita lavina foana izy. Kanjo indray andro, naheno bebe-nay fa tsy salama izy io dia nararaotra namangy tany. Tsy afa-niala mihitsy ilay ramatoa satria hono bebe-nay avy dia nandodona tany aminy dia akory ny hagagany fa trano kely dia kely tsy mifandraika @ izay zesta rehetra notantaraina tetsy sy teroa no hitany tao.

Dia menatra be ilay raika vavy io fa bebe-nay kosa nanao tany an-tsaina hoe : "manomboka izao dia hianjaika aho , fa izaho aza manam-bola noho ilay ikala'ianona ity tsy omen'ireo mpiara monina amiko voninahitra, anefa 'ty tsara akanjo fotsiny no deraderaina lava eo"
Dia bebe-nay kosa aloha tena zolizoli rehefa mianjaika e, na dia tsotsotra aza izy dia manao izay mety.

Ka ny tiako tenenina dia hoe: voa koa aho ry zareo a!

Saingy ny ahy fanahy iniako. Nanovako expérience mihitsy ahitako ny any anaty lohan'ny sasany any. Jereo nareo fotsiny, isika vehivavy malagasy izany dia mila manao volo lava, ary tia mihoso-menaka amin'ny tarehy.
Dia indraindray ataoko fanahy iniana tsy sintomina ny voloko, dia manao pozy varalila aho; fa tsy misy miarahaba ho aho ilay ray aman-drenin'ny mpianatra. Anefa dia olona efa hita indroa isan'andro nandritran'ny telo taona izao an! Miavonavona mody tsy mahalala daholo.

Dia na ny mpivarotra aza dia toy izany koa, tsy manana service rehefa ratsy fitafy ny olona, na hividy io na tsy hividy. Mahagaga tokoa ny olombelona.

Ka hoy bebe-nay izay hoe: ny taralila tsy azo avela! Dia samia jejo daholo izany, sady efa ho avy ny fety

10 commentaires:

sipagasy a dit…

hihih ka aleo eo @ ilay antonony ihany retsy e!!!!! sady tsy mampialona no tsy ialonana koa hihihihi

Mitia Fanou Thandy a dit…

dia ahoana zany ndry @izao? Mipozy be foana? Ny ahy ndray tena tsy rarahiko marina e! zay koa mantsy "myope" teo aloha dia tsy mahita dia avy t@ io no tena tsy norarahiako ny mason'ny olona. Sady zà koa sauvage be dia tsy tia manao bonjour olona, ndrayndray angamba hataon'olona hoe miavona, nefa tsy zany fa leo be ny comportement humain akia zà dia lasa tsy tia olombelona a! tena lasa tsy haiko "sauvage" zany: nefa kosa Neny tsy maintsy manao effort kely fa ny papozykely @izao mitombo dia tsy mety loatra lay toetrako, hita eo ihany e!

Ikalakely a dit…

Tsy mipozy be izany an! fa tiako tenenina fotsiny hoe : "ny olona ho aho ratsy loha dia rehefa tsy mihaja ianao dia tsy asiany voninahitra". Izany hoe rehefa olona mihaingo fotsiny sy tsara paozy aty ivelany izany dia mahazo ny rariny kokoa e! Ohatra rehefa miditra mpivarotra ohatra

Fa ny an'i sipagasy no marina, @ antonony ihany

Kdaombaramita a dit…

Marina ny teninao hoe ny ati-doha no mikaoty fa tsy ny jery ivelany. Ity tantara ity dia mampiseho vhv 1 jejojejo, nefa tsy vitan’izany fa mbola miseho milay koa @ toetra. Nefa izao ny ahy ny hevitro kosa : amiko ny tenako dia hajaiko, kojakojaiko tsara ary ary dioviko satria io no taratra voalohany hita eny amiko. Akoatr’izay ny tenako io dia hanajako sy reharehan’ny manodidina ahy koa satria mahavahy tena aho, mikarakara tsara fa tsy ilay olonolom-poana ireny. Raha mihaingo aho dia ataoko @ izay mety ahy fa tsy mitady ny randrana manendrika ny hafa, manara-damaody aho dia @ izay tokony mety ahy fa tsy mitomany hanao paozina manequin mifanohitra amiko, nefa koa akanjo @ izao fotoana no entiko. Raha mba fantatrao mantsy fa rehefa mba misy naman’ny zanako tonga ato an-trano dia hoy izy hoe “ ta mama est jolie”, dia sady faly aho no reharehan’ny zanako, miakatra ny morale-n’ny zanako satria misy fitaratra tsara izy ireo no sady mba manana ny mahaizy azy eo amin’ny samy mpianatra, manginy fontsiny dia mbola mamin’ny vadiko koa ny mijery ahy fa tsy tenté hijery hafa mety² kokoa noho izaho izy. Fa izao fontsiny kosa aloha, tsy olona tia misehoseho aho na tia mibaikobaiko mahay itsy sy iry. Ary ezahiko hatrany ny hanana toetra tsara tsy sarotiny rehefa miaraka @ olona, ary manaja ny safidin’ny hafa aho na dia tsy mitovy hevitra amiko aza izy ireny. Ny hoe trano ipetrahako dia tsy rova akory fa misy izay zavatra tiako, ilaiko sy ampy ahy. Amiko tsy ny haben’ny trano, tsy ny vola, tsy ny hasarobidin’ny fananana no mikaoty fa ny fo mipetraka ao. Ka na hanana trano ngôdabe ary aho ka tsy ao ny hatsaram-panahy, akoso-bolamena mamiratra jerena e ! Tsinin’ilay ramatoa voalazanao izany amiko dia ilay “caractère hautain” fa ilay trano keliny (tsy hahazaka olona maromaro) sy ny paoziny tsy olana mihitsy amiko ;)

Ikalakely a dit…

Kdaomba> ny anatin'ny saina mihitsy no atao tsara. Marina mihitsy ilay hoe mila madio koa!
Fa ny anatra hitako iray koa dia hoe mba atao mifandraika ny paozy, ny toetra sy ny fananana fa tsy manao mihoatra nohon'ny vola miditra am-paosy akory , na hoe mampiseho ambany nohon'ny fananana (mampidina valeur) satria manjary very koa ny voninahitra

Tsy ilaina akory hoe manam-bola be d'efa pakta be anie izany e,
fa équilibrer-na tsara ny fitondrana ny fiainana , manjary ianao avy dia diso fanantenana. ohatran'ilay naman'i bebenay zao dia menatra izy mampiantrano satria fantany izy ihany fa jejo mihoatra nohon'ny vitany izy.

simp a dit…

tse tse
mahay miteny gasy be izy an

miaiky anao ny firenena :)

simp a dit…

Ny tena marina dia very ny kolon-tsaina sy ny soatoavina nolalain'ny Ntaolo ee.
Asa na vokatry ny fanjanahan-tany nga sa in (kapitalisma??) fa lasa otran'ny lasa hoe ny vola ny maha rangah be le izy ee.
Zany hoe ze be vozona foana no manana ny rariny.
Dia lasa normal be raha toa ka miezaka be @ le "paraitre" ny pokona rehefa tsisy apoaka @ ny tena izy...

Asa na hoe angano fotsiny na hoe diso utopika be loatra le hoe fihavanana malagasy fahiny. Zany hoe manao valin-tanana ny olona rehefa manao rara, mifanampy sy mifampitsinjo sns ary tsy misy izany hoe mifanindry sy miezaka ny haka tombony @ zao rehetr izao...
@ zao anefa rehefa tsisy sosy dia lasa otran'ny tsy ol... ze voky no maharaka ny namany, sa ahoana moa?

mais bon, efa izay ny fiainana ka aleo tsy omena tsiny ireo izay mba miezaka ny hanana anjara hasina kely na dia hoe sarin-tsariny fotsiny ihany aza izany... ny tena tokony ho izy fotsiny dia tokony hoe mba hoe mipitrapitra mampalahelo fa tsy hoe izy indray no hitandroka sy hivandravandra... sady tokony mba miezaka miavotra @ ilay situation misy koa eee. Zany hoe solution temporaire ny misozy ivelany fa a long terme tokony hoe mi-refleter ny tena marina le izy satria niezaka mafy enao entretemps...
filozofika be fa ny tena marina dia ny hoe: ze tiany ihany io... manana zo hanana ny safidiny izy... enao koa torak'izany... tsy tokony ho olana rehefa manaja ny safidinao ny safidiny, et vis versa...

c'est la vie!!

Ikalakely a dit…

Raha mba ohatranareo daholo ny fisainan'ny olona. fa ny anay ny olon-tety dia tsy ohatranareo. Ny société mihitsy no mitaky an'ilay izy. tokony tsy hisy fanavakavahana ivelany @ resaka paozy mihitsy fa voa ny saina, na vola, na habena trano! jereo bebe-nay koa! lasa ni se soucier t@ apparencen'izy. Moa ilay namany lasa tena namany, ndriii mandria am-piadanana ry bebe isany a!

Kdaombaramita a dit…

Amiko aloha tsy hoe rehefa mipaozy be dia manambola be, satria fantatra fa ny aty ampita dia be ny mpivarotra akanjo @ vidiny mirary. Tsy azo itsarana ilay olona mihitsy ny fomba fiakanjony sy ny fikolokolony ny tenany. Samy manana vola daholo ny olona miakanjo fa ny habetsahany tsy misy mahalala ka tsy mety ny hoe be vola i ranona satria tsara fiakanjo, tsy azoko itsarana azy izany. Izay angambany no hevitr'ilay bebenareo ka nandiso ny eritreriny nony nahita ny tranony "tsotsotra". Fa izao koa e : ilay toetra mihitsy no tena mitondra ilay tantara e, io aza no mbola ambony noho ny anaty loha, ary io no zavatra faharoa io no tsy laitran'ny bebenareo taminy koa. Raha intelligent ianao nefa ratsy toetra dia eo ianao irery eo, et dans le cas contraire c'est vers toi que les gens viennent et raison de plus si tu es habillée correctement ;)

manjinja a dit…

en resume, il ne faut pas peter plus haut que son cul, pas vrai??