dimanche 27 janvier 2008

Sipa Maditra Hoe?

Tsy efa fantatrao moa ny momban'ny sipan'Ambohimanarina? Sa tsia... Ry zareo eny hono no sipa maditra indrindran'Iarivo. Zany hono an... Dia tsy haiko aloha fa izaho vahiny e!

Tsy dia tena any loatra no tiako hitondrana anareo androany fa resaka fanalan-jaza izay nosoritan'i "la première salope", izay tsy iza fa i Mialy. Ary isaorana azy manokana satria tena resaka mamoafady ny resaka manala zaza any amintsika kanefa dia anisan'ireo "salope" voalohany malagasy mahasahy mamoaka ampahambe maso izy fa tokony hisy lalàna manaiky ny fanalan-jaza any Dago (IVG légale et libre choix). Miombon-kevitra aminy aho ary raha misy filaharam-be dia izaho hitondra an'ilay pancarte mihitsy.

Araka ny tatitrany ao amin'ny blaoginy ary dia vehivavy 30000 no maty noho io resaka io. Ny sokajim-behivavy 15- 36 ans miisa 75000 no voatery manala zaza noho ny antony maro: tsy ampy ny fampielezan-kevitra momba ny fanabeazana aizana, betsaka ny tsy nandrato fianarana ary ao koa moa ny fahantrana na ny tsy fahalalana tsotra izao.

Ny tena mampalahalo dia ireo tovovavy voaolana ka bevohoka tsy nahy ary voatery mitondra iny vohaka iny, betsaka amin'izy ireo noho izany no voatery tsy maintsy manala zaza an-kiafina. Miafina ny fiaraha monina, miafina ny lalàna, miafina ny finoana kristianina. Ao indray kosa ireo mitondra ny vohoka sy miteraka ny zaza ary manary ilay zaza velona any anaty tatatra na lavam-piringa (latrines)

"A Madagascar, l'avortement est interdit même en cas de danger pour la santé ou la vie de la mère, même en cas de viol et même en cas d'inceste. Avec une peine allant d'un à cinq ans d'emprisonnement et une amende de 360 000 à 10 800 000 Ar."

Raha ny hevitro manokana dia betsaka ny zavatra mitarika ny tovovavy hanala zaza: ny tsy fahampian'ny fahalàlana ohatra. Izany hoe tsy ampy ny toro làlana sy mpanampy ireo tanora momba ny resaka fananahana. Ao koa ny tsy fahampian'ny famparitahana ny fimailo sy ny namany.
Ny zavatra voalohany tokony sorohana aloha dia ny fanaparitahana fahalàlana e: information - éducation - prévention hoy ry zareo any na IEC. Fa aiza anefa ilay izy? ahoana ny vokany? ho an'iza marina izy ireny?

Ary ny tena tokony hiova dia ny fahamenarana miresaka Filahiana sy Fivaviana ary Fanaovana lamoro. Ezahina ihany koa mba tsy ho fivavahana no mamehy ny fiainana rehetra amin'ny tany tsy mandroso toa antsika fa ny vokany dia zazakely 12 iray trano anefa velona mitsipozipozy.
Ovaina ny fomba fijery, ny fomba fisainana, ny fomba fiteny: tsy manao be morale " izany kà: sipa miseho milay! efa fantatra fa mety ho bevohoka dia izao no vokany! Ataovy ihany, avelao tena ho faty any..." Izany no fandre

Dia hoy aho miantso anao miaraka amin'i Mialy hoe:

OUI, A LA DEPENALISATION DE L'AVORTEMENT, OUI A UNE IVG LEGALE, OUI AU LIBRE CHOIX.


Dia aza adino fa isika koa dia mandrara ny tourisme sexuel

12 commentaires:

Anonyme a dit…

tena betsaka ny toe-javatra sy fandehan-javatra mila arenina any amintsika.
Ny tsy hay dia ny hanombohana azy.
Mila ovaina ny toe-tsaina, saingy ezaka lavitra dia lavitra. Mila miova koa manko ny fari-piainana fa noana ny vatana mivezivezy ny fanahy.
Mila amboarina daholo na ny toe-tsain'ny mpitondra na an'ny entina. Manao cercle vicieux ilay izy.
Mila ezaka makadiry.

Unknown a dit…

kefa hoe tu parles jamais de la même chose zany!!!

bisoux enao

zao hoa taloha rehefa mandalo eo ambohimanarina dé any @ lé hoe "sipa maditra" foana ny saiko....aiza ry zareo ....eo @ tsena v? sa lé am lé poste iny...

lol

Ikalakely a dit…

ikalamako> ilay izy zany tena alavitra be mihitsy no fahitako azy no tokony ho sorohana e,
miatomboka amin'ny fomba fisainana araka ny voalazanao, dia avy eo dia miala mihitsy aloha amin'ny fifehezan'ny eglizy ny fiainan'ny olon-drehetra (io mantsy no tena manasakana zavatra maro any amintsika any) anefa ny tanora dia efa manaraka ny fomba ny tany mandroso amizao ka tsy ao intsony ilay foto-pisainana hoe "miteraha dia mamenoa ny tany"!
Avy eo dia tena asiana programa raikitra mihitsy amin'ny fampianarana ny sexualité fa tsy ny taovam-pananahana ihany, ampidirina daholo ny sida, contraception, ny MST sy zavatra maro be e,
Ary ao koa moa izany ny fanomezana maimaim-poana an'ireny fimailo, fiarovana tsy ho bevohoka rehetra ireny.
farany dia mila ovaina koa ny fotom-pisainanan'ny lehilahy hoe "betsaka ny sipa dia akoholah-im-bohatra izay, sy ny fijanganjagana tsy voaaro ary koa ny vehivavy dia mila ampianarina beb kokoa hiaro tena sy ho sahy miatrika sy manao TSIA avy hatrany!

Izay fa lava be fa raha 'za mantsy dia tena lany eto ny andro hiresaka an'io ihany

Biz'oroka

Ikalakely a dit…

jogany> merci d'être passée miss!

ilay sipan'Ambohimanarina ve? hihihi tsy haiko fa zany no malaza be fotsiny an, tsy ireny eny an-tsena ireny ve 'zany e? tpt (tapa-tsinay)

Bye

maintikely a dit…

ikala: t'es pas qlq'un que j'ai déjà connu par hasard? :D

Ikalakely a dit…

maintikely> je crois pas alou e! p ê dans tes rêves?! lol fa ahoana e?

Unknown a dit…

parle nous parle nous
http://www.purplecorner.com/?p=29

Unknown a dit…

aiza ny secrets o??!!

Ikalakely a dit…

vaovao farany. Jereo ihany koa ny lahatsoratra nosoratan'i hery

http://hery.blaogy.com/post/4/4367

Anonyme a dit…

Eo @ introduction dia tena fanalam-baraka ny vehivavy eto Ambohimanarina mihintsy, ahoana no ilazanao fa maditra ny sipa eto amin'ny tànana ? olona iray na roa voafitakao sy nataonao tamin'izay nilanao azy no anaovanao introduction générale ??
Avy ety Ambohimanarina ny tena ka sarotiny aim'ny haja sy hasin'ny VOHITRA !
Misaotra

Anonyme a dit…

Ferme ta gueule salope. D avadibadio im pito Lou n l'éla vo mtsar oul ! Az mtsar Mb Ts Ho tsarain r Sipa. Za SIPAN Amboum f lazaiko anao tsar f n'y eny n endry ndrindr rah Sam mbol Sipa antananriv. N'a SIPAN Bôna v d endry ouz enw. "manw pute de Luxe daol d matérialiste nef lazaiko anao f n sip Amboum ref tia d tia ! Laisse les trankill salpe. Arrête d poignarder les gens derrière leur dos f assume en face. Az mialon f jalousie daol zna. :dsl @ le teny Maery f j vien de la bas j connais les gens de chez moi dc j assume et je préfère mieux habiter la bas k ailleurs ' ok allo koi. Ferme tag now , bye

Anonyme a dit…

Sad aty andafy manan droi miavorter ! Mazava ! Afak forcer n'a io ! Ok dc c tn
Choix f laisse les gens vivre leur vie ! C po ta vie dc n y
Rentre même po ! Regarde d abord sle tu fai avan d regarder ske les autres font ! Ta vie ar Ts Itanao s assumer n'ai d tsao n alefanw @ Sipa n Amboum kou. ! Ar enw mba Sipa av aiz? Le mseo mlay b ! Pouff Ok bye @ zay