Maika be te hanoratra an'ity resaka ity eto aho fa tena nanaitra ahy mafy mantsy ny reko tamin'ny fahitalavitra anio . Resaka tsy fahaizana mamaky teny ilay izy.
Voalaza ary fa amin'ireo ankizy mamarana ny ambaratonga voalohany (hi-passe collège izany) dia anisan'ireo faha-enina farany eto Eropa ny frantsay (ahitsio aho raha diso). Marina fa anisan'ny zavatra tian'ny fanjakana frantsay resena mafy dia mafy io kilema iray io, ary marina dia marina fa betsaka ny ray aman-dreny sahirana mitady vahaolàna nohon'ny "asa tsirambina" ataon'ny ministeran'ny fampianarana .Kanefa... dia mbola nampian'ity indray koa:
bus 195, dans la banlieue Sud, une ado pianote sur son portable et demande à sa copine :
- Faut qu'on se voie", ça s'écrit "voit" ou "voie" ?
-Tu t'en fous, c'est un texto. (entendu par Lucie)
Dia hanakory ihany ny hiafarantsika ra-olombelona? Efa omena an'ny zaza rehetra eto anie ny fitaovana rehetra mety ahafahany ho lasa ambony nohon'ny hafa e! boky, kahie, pensily, solosaina, sns fa indrindra indrindra dia ny tranom-boky izay misy isam-pokotany. Gagagaga ihany aho raha mbola alefa any aminay any ambanivolo any indray ireo fitaovana ireo anefa izy eto aza tsy mahafe ny fitsipikin'ny teniny akory.
Misy boky malaza nosoratan'i Marc Le Bris t@ 2004 mitondra ny lohanteny hoe: "Et vos enfants ne sauront pas lire...ni compter"(330p, éd Stock). Raha fintinina ny zavatra lazainy dia hoe: miverena amin'ny fomba fampianarana taloha (ohatra: ny dictée). Dia tohizany hoe: aoka ny ray aman-dreny hanamafy ny zavatra hampitain'ny sekoly amin'ny zanany rehefa tonga any an-tranony. Hita mantsy amin'izao fotoana izao fa ny fomba fampianarana vaovao dia avela ny zaza ho tia karokaroka "construire eux mêmes leurs savoirs" (Le Bris). Ny tena loza dia izao "la langue maternelle paraît presque aussi étrangère aux jeunes Français de souche qu'aux primo-arrivants" araka ny voalazan'i Fanny Capel (mpampianatra) namoaka ny boky "Qui a eu cette idée folle un jour de casser l'école?" (230p, éd Ramsay, 2006) .
Dia hoy Ikala, misaotra frera, misaotra masera, misaotra ry EPP sy CEG ary Lycée fa nivoaka velona aty an-tanin'olona ny galasam, nody ventiny ny rano natsakaina!
Quoique des fois je me permets quelques fautes par ci par là mais moi au moins je suis excusée. N' est- ce pas lilikely?

3 commentaires:
Hmmmm ... Tena manaitra mafy tokoa.
Voalohany indrindra aloha dia miala tsiny @ izay tena "puriste" ny tenako raha toa ka misy diso ny fanoratako teny gasy.
Ny zavatra tiako ambara dia hoe, ireny resaka sms, texto na IM ireny ihany no mahatonga ireny zaza ireny hitako tena tsy mahay manoratra intsony. Nisy ankizy koa hitako tany Dago dia valaka tsisy hafa noho izao, fa ny azy indray ilay manonona hoe "nji" au lieu de "dry". Efa lasa fahazaran-dratsy ilay izy ka hany ka na ny fanoratany azy aza dia mitovy. Mba jereo ange e :
Efa nilaza taminjy mihitsy aho hoe iny injinja no tena tsy tiko fa misotsa betsaka
crjo> aoka re, aoka re fa izaho anie anisan'ilay manao hoe "nji kounkou kiia".Misy olom-patatro aza moa nataonay hoe njinja ny surnom-ny farany.
Ary toa ohatran'ny tsy misy taitra ho aho 'nareo hoe tsy mahay mamaky teny ny zaza aty e?
Niresaka an'io tamin'ny ML hafa aho dia hoy izy mantsy ahy: "Avelao retsy izy tsy hahay inon'inona any fa ny antsika atao mahay be dia resy eo daholo izy rehetra a!, amin'izay mba ny mainty indray no mibaiko azy rehetra". Marina ny anao ho aho!
Dia asa aloha fa indraindray koa anie ny Afrikana rehefa miresaka dia tratran'ilay hoe "tu parles comme un livre", diso mamaky teny loatra fa tsy dia miteny loatra dia rehefa miresaka dia lasa izay tokony hosoratana no haloakan'ny vava.
Hoy ilay afrikanina iray mantsy ahy .Olona efa mifanerasera amiko an:
- "Il y a une erreur d'écriture dans mon prénom, veuillez informer les autorités. Bien cordialement"
Quoi? tsy azonao ve!
Hoatran'ny amahalasa saina ahy ity resaka ity satria miverina ato antsaiko ny resaky ny mpapianatra ahy tany amin'ny oniversiten'i La Réunion. Hoy izy, misy karazany maro ny fomba fiteny ary tamin'ny andro taloha dia azo lazaina hoe "Créole" ny teny frantsay satria tsy nampiasain'ny mpitondra sy ny olona ambony. Taty aoriana dia niely hatrany io fomba fiten'ny majinika io ka lasa nampiasain'ny mpitondra. Ny mpitondra mantsy tsy maintsy mampiseho hatrany fa akaikin'ny vahoaka entiny. Asa aloha raha mitombona io fijery io fa hitako hoe misy karazany maro ny teny frantsay toy ny teny gasy izay nosoritanareo, croj sy ikalakely, tetsy ambony fa mivoatra foana izy ireny. Ny fitsipika no atao dia handravonana ireny fitenim-bahoaka ireny, kanefa ny fitenim-bahoaka matetika ihany koa mampivoatra ny voambolana fampiasa. Raha fehezina (loza fa lava be o?) dia ilaina ny mahay ny fmba fitenin'ny sarangan'olona rehetra.
Enregistrer un commentaire