samedi 29 mars 2008

Enti_Mody Kilalao

["Aza ampijaliana ny tenintsika", avy amin'ny Ramose Lap, iray volana ny fotoana hamerenena ny enti-mody.]

Naoty: cyber fety amin'ny volana jiona? Izao dia efa mamonosa nem sy sambos e!

Izay tsikaritro ihany aloha ireto ry ramose Lap sy izay hitako ho manahirana ahy, ny tena moa tsy dia havanana loatra intsony amin'ny tso -drafitra sy ny vadi-drafitra!

Izao sy ny izaho dia samy hafa sy samihafa (mba azavao ahy ary iza no ampiasaina eto e)
> izao hariva izao: manondro zavatra
> izaho sy ianao: rehefa milaza ny tenako aho

Mihitsy sa mihintsy?

Asabotsy sa sabotsy ny FBC?

Vita tompoko ramose, mbola ho avy ny devoara sasany.

vendredi 21 mars 2008

Sary Indray Mipika

Malahelo be ao ry reto fa nazeran'ilay zaza ny appareil photo keliko efa mba notsitsitsiko ery (satria milay be ny sary avoakany), tsy lany herintaona akory ny niviadanana azy... dia vita be tery sady amizay tonga dia teo ambony carreaux an'ny douche ve namà!

Voakapoka be aloha ikalapeta...dia avy eo naveriko nandramana nalefa ilay izy, dia nandeha kely ihany; ka ilay zoom mantsy nisokatra fa saika haka sary anahy kalapendina dia kanjo nigorisa teny an-tanàny ilay izy [efa tenenina foana tsy hilingilingy!] . Niala aina miadàna nedàla dia namoy ny ainy ihany ny farany :(

Aiza ve ka efa fanintelony amin'ny app. photo numérique tato an-trano io vita be io izao!Efa nandalovana daholo ihany ny marka nalazalaza (nikon aloha: milay be ilay izy fa avy eo nalefa fa efa antetsa, olympus tsy namely loatra nefa be gadget dia nalefa koa, samsung ilay nianjera moa izany maty nitsitra nohon'ny hetraketrakin'ny tany!) andeha hamely canon indray izany izao...

Ary ny anareo inona?

Chocolate Easter

C'est le printemps, il est temps de faire le grand ménage, d'abuser du chocolat, de sortir les petites jupettes vive le vent ... et de s'amuser car c'est la RNS à Vichy (et pour combien de temps encore? tsy efa leo ve any foana e)




Dia samy ho Tratry ny Paska daholo! Maty fa mbola hitsangana indray Jesosy? izay tokoa moa...

dimanche 16 mars 2008

Bandy Bôgany

Tratra Tagy indray aho e!!! kala Maintikely no nitifitra azy avy any...

Raha ny tena izy dia bala polesy 2 be izao no tokony avoaka eto saingy rehefa tena nadinika aho dia tsy mbola feno tsara ny blaogiko ahafahako mikaroka izay tsiaro taloha tany.

Dia aleo misaoty épisode dia avy dia alefa amin'ilay resaka mahafinaritra ahy. Avy ato ny source
Raha ny fahazahoako azy dia toa resaka bandy craquant, attachant, affectueux ilay izy, raikitra mantsy ny chasse aux hommes fa avy ny printemps :) Saingy tsy azoko na voatery ho ireo mpilalao an'i Lost na izay olona hita fa milay eny fotsiny!!! Izaho mantsy tsy mbola nijery Lost mihitsy hatramizay.

Bon, n'ayant pas compris exactement la règle du jeu, raha resaka bandy bogany craquant, sexy, attachant, affectueux, etc dia ny ahy"amin'izao fotoana" izao ( satria miovaova selon l'âge moa ilay izy izany e) dia i Ted Mosby na i Josh Radnor mpilalao ao amin'i How I met your mother no tena hitako milay be!!!!


Ted il est sexy, il est architecte (tous les architectes sont sexy...), il est trop ...bogany. Ce n'est ni un Tom Cruise ni un Brad Pitt ni un George Clooney, non! c'est le genre de mec qu'on aime sans qu'on arrive pas à expliquer pourquoi...ah si il est architecte!

Ted il est masaka be e, tsy haiko mihitsy ny handikana azy... sady ny architecte ho aho manana look henjana be izany e! tsy azoko mihitsy...

Aiza enao ra jogany ooooo, mba azavao ny antony...


jeudi 13 mars 2008

J'ai Un Ami

Conversation du jour. voilà très longtemps de cela.

Ma copine et moi à la fac. J'appuie ma tête sur son épaule, bras dessus bras dessous.

Mon ami et son ami et son amie à côté de nous. Un gros avec des lunettes, un maigre avec un jean juste au corps, une maigrichonne coco rasé, percée et lunettes noirs.

Juste au corps se retourne et me demande:

- Il y a des caméléons à Madagascar?
- (moi): Euh oui...
- Il y en a beaucoup?
- (copine à moi) je crois oui,
et elle part dans une longue conversation inter culturelle. Moi je la regarde, fascinée...

Fin de conversation. Le lendemain.

- (l'ami): ça vous dit un petit café avec nous?
- (moi et copine à moi) Oui
- Ça vous dit un rendez-vous au marais? Vous connaissez le marais?
- (moi) Euh non...
- (eux emballés) il faut vraiment qu'on vous montre ce quartier, c'est un quartier pour les gays
- (nous) ah ouais...super!
- demain?

J'y suis allée, j'ai pris un café très très fort et noir et amer avec deux (copains) gays. Nous avons sympathisé et ça s'est arrêté là car le lendemain je lui ai demandé

- Et dans votre couple c'est qui qui joue la femme?

Désolée, je n'ai rien contre l'homosexualité et je suis bien dans ma peau.

mardi 11 mars 2008

Zokiny Sy Zandriny

Miady foana.

Misy zavatra tsy tiako dia ity fomba fanajana ny zokiny sy ny tsy fanomezan-danja ny zandriny ity. Hatramin'izay niainako angamba dia io no zavatra anisan'ny tsy dia tantiko loatra. Sady tsy tiako koa nampianarina ahy satria lasa takaitra ilay izy aty ivelany.

Voalohany, zavatra tena tsy nety tafiditra tao an-dohako izao ohatra ny mifanakalo hevira tamin'ny mpampianatra teny amin'ny oniversite. Ry zareo aty izany tena mivelatra be mihitsy amin'ny fifanakolazan-kevitra. Izaho anefa na teny amin'ny Lycée na teny@ ambaratonga ambony tsy mbola niady hevitra tamin'ny mpampianatra izany mihitsy. Manazava lesona izy dia manontany fanontaniana dia misy sipa iray (ilay 1ère de la classe masstay ireny matetika) tsy maintsy mahita lazaina foana dia tsy iadiana iny fa vita ny cours dia samy mi-pà.

Tonga taty finda indray aho dia 'c'est tout le contraire', na inona na inona resahina dia tsy maintsy misy managan-tànana foana mametraka fanontaniana na farak'izay 'absurde' aza. Na tsy misy ifandraisany akory aza. Dia ankoatr'izay dia miresaka be aminao ny mpampianatra rehefa inter-cours, miaraka mifoka sigara aminao izy, indraindray aza izy miaraka maka café aminao, mi-invité anao any an-tranony, miresaka amin'ny msn sns...

Takaitra: sarotra be vao mahazo aina ny gasikely! Mi-tutoyer olon-dehibe, mpampianatra, andeha hisotro kafe hiaraka aminy? mila bountisation... (en référence au chocolat bounty : ny atin'ny coco ny ivelan'ny choco, mba hitenenana ny maizina misaina toy ny fotsy, cf lire Gaston Kelman 'je suis noir et je n'aime pas le manioc)


Faharoa, ho an'izay zokiny any an-tranony any. Mba henoy ihany ny zandriny ary rehefa miady re olona, aza miandry ny zandriny hanao 'premier pas' fa rehefa misokatra ny fo dia miresaha fa mankaleo be. Aiza ve ka misy an'izao hoe 'Izaho zokiny ka tsy anjarako no miresaka voalohany!". "Ahy ny vody akoho, anao ny fe-ny" Koa tsy hano -t*** koa!!!

Dia tonga saina tampoka aho hoe izany ve no mahatonga ny vazaha mianakavy tsy miombona amin'ny fianakaviany fa miandry hoe ny zanaka no mamangy, na ny zandry no miresaka voalohany? sa dia efa tsy fitiavana tsotra izao fotsiny ny azy?

Dia resaka zokiny sy zandriny ihany, resa-dova indray. Resaka zokiny vavy sy zokiny lahy, resaka zandriny lahy sy zandriny vavy ary ny OM na ny olo-miditra (vinanto ) hoy ilay dadatoako izay. Ianareo ve tsy mba nahatsikaritra fa miady ny fianakaviana rehefa iny fa maty ny ray aman-dreniny (ilay nampiray sy ilay tompon-karena). [efa noresahako tany amin'i rajiosy ity resaka ity]. Dia eo dia iny ilay lahimatoa manao mpandidy sy mpanapaka hoe azy ny 75% ny harena fa izy ny zokiny, ary ny zandriny dia miandry ny anjarany.

Io moa izany rehefa mana-manana ily ray sy reniny e, betsaka mihitsy ny olom-pantatro lasa misaraka sy miady, anefa dia mpiray tampo nifankahazo be taloha. Ary ady lova foana. Asa angaha nahoana? nahoana moa ny malagasy sasany no tsy manao 'testament' na avy dieny fony velona dia efa mizara hoe itsy an-dranona itsy an-dranona. Eo mantsy dia tsy afaka ny hiteny ianao zanaka fa i ra-Zoky (i Bainina sy Bofy) no mandidy. Ny sasany aza moa mbola sahy 'mitarazoka' , 'manambitamby' mba ahazo ny tsara.

Ny sasany moa dia faly be ery manaratsy zao-bavy sy zao-dahy: tiatia kely e, mpanimba fiainan'olona e!

Eo ihany koa no tonga saina tampoka aho fa ny taranaka miady lova dia ny zanak'ireo tsy mba nampianatra ny zanany hiray hina hiara- hamokatra ny vokatra vitan'ny ray aman-dreniny fa ireo izay nanoro hoe 'samia maka ho azy'.
Ohatra: mpiasa tena ny rainy. Ny zanany maro (mihoatran'ny efatra ohatra). Nampianariny ireo ary samy tafita; ny sasany dokotera, ny sasany mpampianatra, ny sasany mpitsara... Fa naninona no tsy nampianarina hiara hiasa taminy tao amin'ilay orinasany ary? na nampianariny commerce? dia mba afaka nandimby azy. Ireo asa ireo koa ve moa raha novelariny amin'ny anaran'ny orinasany tsy mba ho nety ihany? fa dia nahoana loatra? Ka eo dia fahadisoan'ny ray aman-dreny indray hoy aho. Ohatran'ndry JR tamin'i Dallas izao hitako mety tsara

Aty aoriana dia fiatsaram-belatsihy, ady eny amin'ny tribonaly, fifamonoana no hiafarana.

Ho an'ireo izay naka ravin'ahitra aty finda kosa, hevitro manokana. Manangona, mividiana, manaova fiainam-baovao dia adinoy ny lasa ary tandremo ihany sao hiady lova eo koa ny taranaka e!

Farany tsy aleo ve ajanona amin'izay ity zokiny aho e, zandriny aho e ity. Hoy ilay olona izay hoe "vous n'êtes pas obligés de vous aimer mais respectez vous les uns des autres"

Marina ihany izany satria ny malagasy mantsy manao am-po. Asakasakareo aloha e

samedi 8 mars 2008

V-Day Madagascar

8 Marsa. Andro iraisam-pirenena natokana ho an'ny vehivavy. Folo taona lasa izay no nandraisan'i Eve Ensler anjara ho fanamarihana io andro io. Ny hetsika rehetra izay miseho ny 01 janoary ka hatramin'ny 31 Marsa dia nataony indrindra ho fampatsiahivana ny fisian' ireo vehivavy voavono eran-tany. Ny "Monologue du Vagin" dia efa nolalaovina an-dampihazo ary voadika amin'ny tenim-pirenena maro (eo amin'ny telopolo eo).

Nandray anjara amin'izany Madagasikara ka ny 8 Marsa 2008 no fotoana voalohany nandikàna ny Monologue du Vagin amin'ny teny malagasy, azo adika koa hoe "Ny akon-dresakin'ny zohiko"

Vehivavy mpiblaogy efatra no niara nanentana ny feony ho fanampiana sy fanohanana ireo vehivavy malagasy hiajan-dian'ny herisetra.



HENOY VAKIO VIDIO




Sahiran-tsaina ngamba ianareo e !, Izaho aloha tena vaka
e ! Izany no antony anoratako ity sangan’asa ity. Sahiran-
tsaina aho ny amin’ny zohim-pahafinaretako

...

Tsy maintsy tia volo vao tia an'i Bozy. Betsaka ny olona tia volo. Ny vadiko voalohany tsy tia
volo. Hoy izy hoe misavoritaka hono sady maloto. Nasainy aratana foana ny ahy.

...

Ao, ao ambany ao, mbola tsy niverenako naleha mihintsy hatry ny taona 1953. tena
marina e!

...

Toy ny akorandriaka ny fivaviako, akorandriaka boribory
mavokely sady saro-pady mety mivoha dia mety mihidy

...

Tantaraiko anareo ny nahatonga ahy hankafia ny lalan-kitsom-pahafinaretako. Somary
hanano sarotra ihany satria tsy dia ara-dalàna loatra.

...

Mahatratra an’arivony mahery ny isan’ny ankizy vavy na koa tovovavy nisedra io
famorana io. Ny kaontinanta Afrikana moa no tena ahitana io, tsy vitsy ireo izay mbola
hisedra, ny antsy maranitra, hareza, na koa tapaka vakin-tavoahangy voarangitra tsara

...

Hoy i Neny amin’ny feo masiaka, mafy, mihantsy aina hoe ajanony hono io
mihoatrahoatra ny Boziko io. Lasa natahotra be aho sao nihoatra loatra ka mianjera ho
azy eo izy no hiafarany

...

Miloko maitso ny fivaviako, ohatran’ireny tanimboly mavokely malefaka ireny

...

Tiako ny zohiko. Tiako ihany koa ny vehivavy. Mazàna aho no tsy mampisaraka azy roa
ireo.


AMPIO IZAHAY
commander-o e!