mercredi 14 novembre 2007

Revin-Gadra Hoe?

Resadresaka etsy sy eroa, fahare matetika eny am-bavan'ireo tanora vao misondrotra: "mba te hividy trano aho ry Kala a!"

Raha ny eny an-tànana aloha dia miandry eo amin'ny faha- 40 taonany eo daholo vao manangana trano e! Izay mantsy vao voaangona-raha tsy nisy kolikoly, ireo vola ahafahana manantanteraka ilay "rêve" ( et non revy qui veut plutôt sous entendre la fête. A moins de dire revirevy mais là il s'agit d'un grand rêve) . Misy ihany anefa ireo - niangaran'ny vintana , ka tanora vao 30 taona dia efa "proprio". Tompony fa tsy mpanofa, ah le rêve!

Ny sasany izay nahafoy an'i Dago kosa ka nandeha any finda, rehefa stable iny dia mba manan'eritreritra ny hividy trano ihany koa- any finda aloha, satria mantsy tsy te hiady lova dia aleo any no manao fiainana kalamina. Sady mba hafa koa ange ry Kala ilay hoe "proprio à l'étranger e!"

Dia nojerena ary ry Kala ny vidiny:
1- tsy takatra
2- manao trosa 20 taona farafahakeliny
3- tena miafy mafy dia mety ho takatra ny any ankodahoda any

Dia manontany tena hoe fa ahoana ary rehefa mba mijery fahitalavitra ireny, misy olona mikarama kely nohon'ny tena nefa proprio eto finda. Eritreritra:
1- na io resa-be fotsiny satria tsy misy resahana ry 'zalahy
2- na izy mpandova dia tsy mila mividy fa miditra fotsiny

Tsy misy hevitra ny eto! Dia nandinika ny fiainan'ireo tanora efa tompon-trano any Dago indray dia mahita fa miaina be ry Kala isany: maison de 200m² sur un terrain de 2000m², 4x4, cuisine équipée, salon de 60m², salle de bain de 15m², etc... Mince alors ny salon-ny mbola ngeza nohon'ny tranon'ny olona eo @ saranga antonony any finda.

Dia lasa ny eritreritra, andeha hividy trano any Dago indray ary. Koa maninona moa? any Dada any Neny any zoky any zandry any dadatoa, nenitoa, bebe sy dadabe, any ny akama, any misy mpanampy, misy gardien, misy ranomasina, misy soleil, any tsy misy fanavankavaham- bolokoditra.

Dia mijery annonce. Purée! ilay mba tena milay:

Affaire à saisir : 1.450.000 € (non négociable), maison de maître à Diégo. Ok lafo loatra io ary e!

Dia nidina ny gamme:

Catégorie: Maison à vendre
Centre Ville. Antananarivo, 101. Madagascar
Prix moyen en €uros: Euros 309.768
Prix en Ariary : MGA 799.200.000
Grande maison de caractère. Tout confort – 2 séjours salons de 50 m², 9 chambres principales, dépendance, garage. Le tout sur un terrain arboré de 800 m². Prix à débattre – Faire proposition.

Mbola tsy takatra ihany. Quasiment le même prix qu'à finda. Dia mbola nidina gamme ihany dia lasa nanantona an'ny fonenana tsara sy soahonenana. Peut mieux faire!

Décidement tsy maintsy hiditra trosa ihany 'zany? tsy maintsy hiandry ny faha-40 taona ihany 'zany? tsy maintsy hiady lova ihany 'zany?

Et vous, comment avez- vous fait?

12 commentaires:

Anonyme a dit…

tapaka ny tsinaiko mamaky ny nosoratanao. Angaha tsy loza fa manao prix n'importe nawak mihitsy ny tompontrano ao Tana. Tsy misy fanafany io tsy maintsy hiandry 40 taona ihany. Na de izany aza misy banky efa manampy amin'ny fanamboarana trano any Madagascar, asa no hitohy na tsia.

Rajiosy a dit…

etsy ambany koa misy ala olana : "manao labotika a'ilay zavatra" !

aza tezitra ianao fa somonga ny ahy eee

Anonyme a dit…

Tena mahafinaritra ny mamaky ny blaoginao.
Tsy azo hatao revin-gadra ny fananana trano na vao 30 taona aza Ikala, misy orinasa manome prêt hypothécaire ireo mpiasa ao aminy ka tonga dia halaina amin'ny karama ary arak'izay hifanarahana ny famerenana azy.
Misaoatra e!

Anonyme a dit…

Mivadika silamo dia mindrana vola amin'ny banky silamo fa ireny hono tsy mitaky zana-bola. Hono hono io an. Dia mba mety 10 taona dia azo ilay trano fa tsy 20.

Ikalakely a dit…

nanty> Tena niakatra be mihitsy ny vidin-trano sy vidina tany any Dago ry reto a, raha misy vola dia aleo mividy tany sy trano fa io ihany no valeur sûr amizao fotoana izao.

rajiosy> hahaha, misy manao labotika mihitsy dia mahazo trano ny farany

Ikalakely a dit…

kaliana> tongasoa eto amin'Ikala. Mmmm...manahirana ihany izany satria manjary tsy afa miala ao @ ilay orinasa koa aho izany raha tsy vita ny trosa, anefa 30taona ve? dia manao ahoana anefa hono ny taux-ny?

Ikalakely a dit…

sipakv> honohono toa tena mety izy io ka!

Mba manontany tena ihany mantsy aho satria eto Frantsa dia ahitana ny sarangan'olona maro dia maro (olon-tsotra, olona manambola, mpianatra, tsy an'asa, sns)
Ka mba niditra tao anatin'ny eritreritr'ireo olona izay manam-paniriana hividy trano aho dia io nozaraiko aminareo io ny hevitrin'ny be sy ny maro.

Anonyme a dit…

hihihi, mila chirugien ny tsinaiko r'ikala fa tapaka !
Il faut investir dans les briques hoy ny aty aminay. Dia hoy ny mpanala hoe biriky iray sa roa dia ampy ?

tomavana a dit…

Tandremo ary fa betsaka ny mpanararaotra vonona ny hampindram-bola :( ny tany Amerika indray moa ny mpampindram-bola angahanana be loatra mihintsy no matiantoka noho ny farany

Anonyme a dit…

Hevitra iray koa ity ry Ikala an!Araka ilay fiteninareo any hoe :"Petit à petit, l'oiseau fait son nid",mividy tany fotsiny aloha Ikala, eny @ manodidina an'Antananarivo mbola azo hidirana ny vidiny!by-pass; AMbohimanambola; Alasora; Route d'ambohimanga; ambohidratrimo; sady mbola madio tsara ny rivotra any fa eto @ ville efa saturé!sady raha manana euros anie Ikala adraisy!tena maazo 1000m2 mintsy zany; dia azo aloha ny tany,ka mandrapahavitan'ny paperasse eny @ domaine sns sns dia efa manangona euros kely ndray Ikala dia manorina trano miadana eo @ zay e!ny ahy aloha dia izay e! ny taratasy aloha izao no atao, vita zay @ janvier miandry ny permis de construire ndray aho dia efa misy azoko hananganana azy izay mandra pahatapitry ny orana e!!
asa anefa aloha fa Ikala nga mieritreritra hoe ahavita trano anatin'ny 1an mila miharitra kely kosa anie e!aiza kosa no dia ho 20 na 30 ans vao ahavita?ny Euros anie zao mbola lafo vidy eto Dago e!nefa ze tin'Ikala ihany io koh!eritreritra ny ahy iny

Anonyme a dit…

Raha nahavita fianarana avy any ivelany aloha Ikala dia mba mety ho tsara toerana ao @ orinasa ka afaka mametra ny famerenambola ho 10 na 15 taona, sady mahazo traikefa tsara Ikala no mahazo trano amin'izay. Ny zanabola dia mahatoky aho fa latsaka ny any @ banky.

Ikalakely a dit…

tomavana> marina mihitsy ny anao fa tena mila mitandrina amin'ireo aranaque ataon'ny banky!!!

anonyme> sambatra izany ianao efa nahita vahaolana izahay mbola miady mafy manao cotisation ho an'ny fahanterana ;))
ilay manao taratasy ela be mihitsy koa no tena manahirana be amin'ilay manao trano, esty andaniny koa ny mpangalatra sy ny olona hatokisana

kaliana> tsara ny torohevitra saigy eo indrindra isika izao, hiverina sa tsia?