lundi 17 décembre 2007

Ne Parle Pas La Bouche Pleine!

Efa fandren'Ikala matetika amin'ny vavan'ny malagasy ilay hoe:
- "Ny vazaha ho aho raha hiresadresa-poana a! Zavatra tsy misy dikany dia atao resaka lava be tsss"

Fantatrao ary ve ny antony mahatonga anao tsy miresadresa-poana e? Ikala ohatra rehefa eo am-pisakafoanana dia tsy dia manavanana azy loatra ny miteny na miresaka fa mankafy tsara ny zavatra ampidiriny any am-bava izy.

"Pendant le repas, personne ne dit mot. Le dîner est une affaire sérieuse. Causer est aussi une des graves occupations de la vie, on ne saurait bien faire deux choses à la fois"
in Raketaka, p.13

Fomban'ny malagasy ihany koa rehefa mivahiny any an-tranon'olona ny tsy miresaka, mipetraka mangina ery an-tsisin'ny trano fandraisam-bahiny ery ary tsy miloa-bava raha tsy taritin'ny tompon-trano:

"Sans bouger de place est toujours assise par terre (...) la maîtresse de maison demanda, enfin, sans en avoir l'air d'y attacher beaucoup d'importance la raison de la visite (...) celle-ci prit son temps, commença par déclarer qu'elle était venue sans raison importante, en passant, sans savoir bien pourquoi. On se mit alors à causer de la pluie et du beau temps, de la récolte prochaine du riz, des boeufs de celui-ci, du divorce de celle là. De fil en aiguille et par de longs détours, on en vint à parler(...)" p.13


Rehefa tafiditra ny "introduction" dia raikitra indray ny resaka hafa tsy misy hifandraisany, il faut bien suivre car à un moment ils vont revenir sur le vif du sujet "la politesse voulait qu'on ne se mît pas à l'interroger brusquement sur ce sujet qui l'intéressait directement" p.13

Rehefa elaela dia mitohy amizay ny tena resaka, sy ny anton-dia ka raha
niditra tany amin'ity biraona malagasy iray ary Ikala ka nahita ity soratra mampitandrina hoe:
" Soyez bref et concis"
dia gaga sy talanjona ihany ka tsy dia hitako loatra izay fomba hamintinana ny zavatra tiako lazaina taminy amin'ny fehezanteny vitsy dia vitsy.

Akory atao fa ny malagasy anie ka tsy taitra tsy maika nefa tsy tara e!

5 commentaires:

Anonyme a dit…

ka ny malagasy manko r'ikala be safarin-teny.
Angamba efa tsy gasy fitafa intsony ny tompon'ilay birao nidiran'ikala fa tsa hainay moa bref et concis izao kanoa !
Ny hevitra apetrak'ikalamako aza efa misy fehezanteny telo sahady, fa asa na efa voafintina ao ny votoatin-kevitra ijoroan'ny lahatsoratra, :-P

Anonyme a dit…

famintinana tsotsotra an'ikalamako : "1-tsy 2-manan-kolazaina 3-aho". Bref et concis izany an !

maintikely a dit…

dia ahoana koa ry ikala ilay isika rehefa manoratra dia lava be, be formule de politesse be, mitovy @ vôza farantsay ihany. Nefa ny angalisy tonga dia ny votoatiny avy hatrany. ohatry ny hoe resaka protocolaire no betsaka.

Ny antsika gasy manko mba azoko veroka ihany satria avy any @ tany mafana isika dia tsy dia taitra izay ihany :)

Ikalakely a dit…

ikalamako> izy hono akia leo be (nanontaniako mantsy) fa ny sasany hono manontany zavatra tsisy dikany aminy dia eo lava be eo nefa izy be atao a!

rajiosy> 1/bref 2/ et circoncis!

maintikely> rehefa hody koa anie jerevonareo tsara fa efa im-polo manao veloma ihany, efa vita ny biz'oroka dia mbola misy mi-lancer resaka indray! dia eo indray aloha...afaka adin'iray vao tena tafahala eo!

Anonyme a dit…

"1/bref 2/ et circoncis!" : tena tokony ho sivanina mihitsy izao fa tena manala be an'ilay razoky !